Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 36:15 - Baiboly Katolika

15 Izao no loham-pirenena amin’ny zanak’i Esao: ireo zanaka lahin’i Elifaza: i Temàna loham-pirenena, i Omara loham-pirenena, i Sefao loham-pirenena, i Seneza loham-pirenena,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Izao no loham-pirenena tamin’ny taranak’i Esao: Ny zanakalahin’i Elifaza, lahimatoan’i Esao, dia i Temana, loham-pireneny, i Omara, loham-pireneny, i Zefo, loham-pireneny, i Kenaza, loham-pireneny,

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

15 Ireto avy no filoham-pianakavian’ny taranak’i Hesao. Samy filoham-pianakaviany avokoa ireo zanakalahin’i Elifaza lahimatoan’i Hesao, dia i Temàna sy i Omara, i Tsefao sy i Kenaza,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Ireto avy no filoham-pianakavian’ny taranak’i Hesao. Samy filoham-pianakaviany avokoa ireo zanakalahin’i Elifaza lahimatoan’i Hesao, dia i Temàna sy i Omara, i Tsefao sy i Kenaza,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Izao no loham-pirenena tamin’ny taranak’i Esao: ny zanakalahin’i Elifaza, lahimatoan’i Esao, dia Temana loham-pireneny sy Omara loham-pireneny sy Zefo loham-pireneny sy Kenaza loham-pireneny

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Izao no loham-pirenena tamin'ny taranak'i Esao: ny zanakalahin'i Elifaza, lahimatoan'i Esao, dia Temana loham-pireneny sy Omara loham-pireneny sy Zefo loham-pireneny sy Kenaza loham-pireneny

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

15 Izao no loham-pirenena tamin’ny taranak’i Esao: Ny zanakalahin’i Elifaza, lahimatoan’i Esao, dia i Temana, loham-pireneny, i Omara, loham-pireneny, i Zefo, loham-pireneny, i Kenaza, loham-pireneny,

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 36:15
19 Rohy Ifampitohizana  

Ary izao no zanaka lahin’i Oolibama, zanaka vavin’i Anà, zanaka vavin’i Sebeôna, vadin’i Esao; niteraka an’i Jehosy sy i Ihelona ary i Kôre tamin’i Esao izy.


i Kôre loham-pirenena, i Gathama loham-pirenena, i Amaleka loham-pirenena. Ireo no loham-pirenena avy amin’i Elifaza amin’i Edôma. Zanak’i Adà ireo.


Zanaka lahin’i Oolibama, vadin’i Esao: i Jehosy loham-pirenena, i Ielona loham-pirenena, ary Kôre, loham-pirenena. Ireo no loham-pirenena avy amin’i Oolibama, zanaka vavin’i Anà, sy vadin’i Esao.


Ka ny naterak’i Adà, tamin’i Esao dia i Elifaza; ny naterak’i Basemata dia i Rahoela;


Maty i Jôbaba, ka i Hosama avy any amin’ny tanin’ny Temanita no nanjaka nandimby azy.


Nony nandre ny loza rehetra nanjò an’i Jôba ireo sakaizany telo lahy: i Elifaza avy any Temàna, i Baldada avy any Sohe, ary i Sôfara avy any Naamà, dia samy niainga avy any amin’ny fonenany avy, ka niara-nidinika izay handehanana hitsapa alahelo sy hampionona azy.


Ny taranany mihamahery eo anoloany, ny solofony mandroso laza eo imasony.


Dia niteny i Elifaza avy any Temàna ka nanao hoe:


Nahita ny tsy mpivavaka efa mby eo amin’ny fanaperam-pahefana aho, nisandrahaka tahaka ny hazo maitso maniry izy.


Nivadi-po ambony ihany ireo andrian’i Edôma; Tera-kovitra ny maherin’i Moaba; Niraviravy tanana avokoa ny mponina any Kanaana;


Ka henoy àry ny fikasana naraikitr’i Iaveh hamelezana an’i Edôma, sy ny hevitra nosaininy hamelezana ny mponina any Temàna: eny, hotaritarihina hoatra ny ondry malemy izy; eny, hitanàka mihitsy ny taniny fiandrasana biby fiompy.


Teny mamely an’i Edôma. Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Efa tsy misy fahendrena intsony va ao Temàna? Lany hevitra va ireo mahira-tsaina? Efa levona va ny fahendren’izy ireo?


noho izany dia izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Haninji-tanana amin’i Edôma Aho; ka haringako ny olona sy ny biby eo aminy; hataoko zary efitra, hatrany Temàna izy; ary ho lavon-tsabatra hatrany Dedana.


dia handefa afo ho ao Temàna Aho ka handevona ny lapan’i Bôsrà izany.»


Ho raiki-tahotra mafy ny mpiadinao, ry Temàna, mba ho voafongotra rehefa mety ho lehilahy, ao an-tendrombohitr’i Esao.


Tamy avy any Temàna Andriamanitra, ary avy any an-tendrombohitra Faràna ilay Masina (Selà). Nanarona ny lanitra ny fiandrianany; ary nameno ny tany ny voninahiny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra