I Asora tsy hamonjy anay, izahay tsy hitaingin-tsoavaly; na hiteny hoe: Ry Andriamanitray ô! amin’ny asan’ny tananay. Ianao, izay ahitàn’ny kamboty fiantrana!
2Timoty 4:11 - Baiboly Katolika i Lioka irery no eto amiko, ka alao i Marka, ento miaraka aminao, fa manampy ahy fatratra amin’ny raharaha izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 I Lioka ihany no ato amiko. Alao i Marka ka ento miaraka aminao fa mahasoa ahy amin’ny fanompoana izy. DIEM PROTESTANTA I Lioka no hany eto amiko. Alao i Marka ary ento miaraka aminao, fa afaka manampy ahy amin’ny raharaha izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Lioka no hany eto amiko. Alao i Marka ary ento miaraka aminao, fa afaka manampy ahy amin’ny raharaha izy. Baiboly Protestanta Malagasy Lioka ihany no ato amiko. Alao Marka, ka ento miaraka aminao, fa mahasoa ahy amin’ny fanompoana izy. Malagasy Bible Lioka ihany no ato amiko. Alao Marka, ka ento miaraka aminao, fa mahasoa ahy amin'ny fanompoana izy. La Bible en Malgache I Lioka ihany no ato amiko. Alao i Marka ka ento miaraka aminao fa mahasoa ahy amin’ny fanompoana izy. |
I Asora tsy hamonjy anay, izahay tsy hitaingin-tsoavaly; na hiteny hoe: Ry Andriamanitray ô! amin’ny asan’ny tananay. Ianao, izay ahitàn’ny kamboty fiantrana!
Dia toy izany, ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany; fa maro no antsoina, ary vitsy no voafidy.
Dia nieritreritra kely izy aloha vao nankany an-tranon’i Maria renin’i Joany, izay atao hoe Marka; olona maro no tafavory nivavaka tao.
Nony vita ny raharahan’i Barnabe sy i Saoly tao Jerosalema, dia niverina tany Antiôkia izy, ary nitondra an’i Joany izay atao hoe Marka hiaraka aminy.
Dia nifanditra mafy izy roa lahy, hany ka tafasaraka terỳ: i Barnabe moa nitondra an’i Marka, dia niondrana an-tsambo hankany Sipra izy roa lahy.
Ary rehefa nahita izany izy, dia nitady hankany Masedònia haingana izahay, satria nahalala marina fa nantsoin’Andriamanitra hitory ny Evanjely amin’ny olona any.
Manao veloma anareo i Aristarka, mpiara-mifatotra amiko, sy i Marka, zanak’anabavin’i Barnabe (efa nahazo didy ny amin’izany ianareo, ka raiso tsara izy raha tonga atỳ aminareo).
Fantatrao fa efa nandao ahy ry zareo rehetra any Asia, isan’ireny i Figèlo sy i Hermôgena.
Koa izay nandio ny tenany ho afaka amin’ireny zavatra ratsy ireny, dia ho fanaka mihaja, voahasina, mahasoa ho an’ny tompony ary voaomana amin’ny asa soa rehetra.