Mahazoa ny marina, ka aza amidinao, mbamin’ny fahendrena, ny fampianarana, ary ny fahalalana.
2Timoty 1:13 - Baiboly Katolika Tano amin’ny finoana sy ny fitiavana ao amin’i Kristy Jesoa ny mariky ny fampianarana marina renao tamiko. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tano amin’ny finoana sy ny fitiavana ao amin’i Kristy Jesosy ny mariky ny teny tsy misy kilema izay efa renao tamiko. DIEM PROTESTANTA Ireo teny efa renao tamiko no ataovy fenitra ho anao, ka tano mafy amin’ny finoana sy ny fitiavana ananantsika tafaray amin’i Kristy Jesoa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ireo teny efa renao tamiko no ataovy fenitra ho anao, ka tano mafy amin’ny finoana sy ny fitiavana ananantsika tafaray amin’i Kristy Jesoa. Baiboly Protestanta Malagasy Tano amin’ny finoana sy ny fitiavana ao amin’i Kristy Jesosy ny mariky ny teny tsy misy kilema, izay efa renao tamiko. Malagasy Bible Tano amin'ny finoana ny ny fitiavana ao amin'i Kristy Jesosy ny mariky ny teny tsy misy kilema, izay efa renao tamiko. La Bible en Malgache Tano amin’ny finoana sy ny fitiavana ao amin’i Kristy Jesosy ny mariky ny teny tsy misy kilema izay efa renao tamiko. |
Mahazoa ny marina, ka aza amidinao, mbamin’ny fahendrena, ny fampianarana, ary ny fahalalana.
ho mpananatra ny adala, ho mpanoro ny bodo, fa eo an-tananao ny Lalàna izay fitsipiky ny fahalalana sy ny fahamarinana;
Ary isaorana Andriamanitra, fa na dia nanompo ny fahotana aza anie ianareo, dia nanaiky tao am-po tokoa ny fitsipi-pampianarana natolotra anareo;
Fa izao ihany e: manaova fitondran-tena mendrika ny Evanjely ianareo; ary amin’izay, tonga moa aho, dia hahita anareo; tsy tonga kosa, dia handre ny aminareo, fa hoe: maharitra amin’ny fanahy iray ianareo, sy miray fo miara-miasa hampandroso ny finoana ny Evanjely,
Araho avokoa izay efa nianaranareo, sy noraisinareo ary renareo sy hitanareo tamiko, dia ho eo aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana.
hatramin’ny nandrenesanay ny finoanareo an’i Kristy Jesoa sy ny fitiavanareo ny olona masina rehetra,
ny mpijangajanga, ny mpiray samy lehilahy, ny mpangalatra olona, ny mpandainga, ny mpianian-tsy to, mbamin’ny hafa rehetra manao zavatra mifanohitra amin’ny fampianarana marina,
fa nony nomban’ny finoana amim-pitiavana izay ao amin’i Kristy Jesoa, dia nihoa-pampana ny fahasoavan’ny Tompontsika.
Raha misy mampianatra zavatra hafa noho izany, ka tsy manaiky ny teny marin’i Jesoa Kristy Tompontsika, sy ny teny fampianarana mampanaja an’Andriamanitra,
Izaho Paoly, Apôstôlin’i Jesoa Kristy noho ny sitrapon’Andriamanitra, mba hitory ny teny fampanantenana izay ao amin’i Kristy Jesoa,
Ary aoka ny Fanahy Masina, izay mitoetra ao amintsika, no hoentinao mitahiry ny zavatra tsara napetraka taminao.
ary aoka ny fampianarana renao tamiko teo anatrehan’ny vavolombelona maro, hafindranao amin’ny olona mahatoky izay hahay mampianatra ny sasany kosa indray.
Ary ianao kosa dia mahareta amin’izay zavatra nianaranao sy azonao antoka, fa fantatrao ilay nampianatra anao,
Fa ho avy ny andro tsy hahazakàn’ny olona ny fampianarana marina intsony; fa mpampianatra araka ny filàny no hovoriny ho azy sy hahalian-tsofina azy;
mitana mafy ny teny marina nampianarina azy, mba hahaizany mamporisika araka ny fampianarana marina, sy handresy lahatra izay manohitra izany.
marina, ary tsy manan-tsiny, mba ho menatra ny mpanohitra antsika, fa tsy hahita kilema hanesoana antsika.
Aoka isika hitoetra tsy azo hozongozonina amin’ny fanarahana ny fanantenantsika, fa mahatoky Ilay nanao ny fampanantenana.
fa i Kristy kosa dia toy ny Zanaka manapaka ny tranon’ny tenany, ary isika no tranony, raha tanantsika mafy hatramin’ny farany ny fahasahiana sy ny hafaliana masina vokatry ny fanantenana.
Koa noho isika manana Mpisorona lehibe Izay lasa namaky ny lanitra, dia i Jesoa Zanak’Andriamanitra, dia aoka hotanantsika mafy ny finoana efa nekentsika.
Ry malala, noho ny faniriako mafy hanoratra aminareo ny amin’ny famonjena iombonantsika, dia voatery hanoratra ity taratasy ity ho anareo aho, mba hamporisika anareo hikely aina hiaro ny finoana, izay natolotra ny olo-masina indray mandeha monja.
Indro, avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao.
Koa tsarovy ny fampianarana noraisinao sy nohenoinao, dia tano izany, ka mibebaha. Fa raha tsy miambina ianao, dia ho avy ao aminao toy ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hiaviako ao aminao.