Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Titosy 2:8 - Baiboly Katolika

8 marina, ary tsy manan-tsiny, mba ho menatra ny mpanohitra antsika, fa tsy hahita kilema hanesoana antsika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 ny teny tsy misy kilema, izay tsy azo kianina, mba ho menatra izay manohitra satria tsy hisy ratsy hitenenany anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

8 teny tsy misy tomika sady tsy azo kianina ampiasaina, mba ho menatra ny mpanohitra anao, noho izy tsy hanan-kitenenan-dratsy antsika.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 teny tsy misy tomika sady tsy azo kianina ampiasaina, mba ho menatra ny mpanohitra anao, noho izy tsy hanan-kitenenan-dratsy antsika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 ny teny tsy misy kilema, izay tsy azo tsinina, mba ho menatra izay manohitra, satria tsy hisy ratsy hitenenany anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 ny teny tsy misy kilema, izay tsy azo tsinina, mba ho menatra izay manohitra; satria tsy hisy ratsy hitenenany anareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Titosy 2:8
15 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy koa aho: «Tsy tsara izao nataonareo izao. Moa tsy tokony ho nandeha tamim-pahatahorana ny Andriamanitsika va ianareo, mba tsy ho voan’ny fanaratsian’ny firenena fahavalontsika?


Mihainoa ny tenin’i Iaveh, ianareo izay mangovitra amin’ny teniny: Niteny ireo rahalahinareo izay mankahala anareo, sady nandroaka anareo noho ny amin’ny Anarako, nanao hoe: «Aoka hasehon’i Iaveh ny voninahiny, mba hahitanay ny fifalianareo!» Kanefa izy ireo no ho menatra.


Dia hoy i Jesoa taminy: «Aloavy ho an’i Sezara àry izay an’i Sezara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.» Dia nigagan’izy ireo Izy.


Ary nisy mpanora-dalàna anankiray nahare izany ady hevitra izany sy nahita ny namalian’i Jesoa azy tsara, ka mba rafitra nanatona Azy koa sy nanontany Azy hoe: «Inona no voalohany amin’ny didy rehetra?»


Dia hoy ilay mpanora-dalàna taminy: «Tsara izany, ry Mpampianatra, marina indrindra ny nilazanao fa tokana Andriamanitra, ary tsy misy hafa afa-tsy Izy,


Nony hitan’i Jesoa fa namaly tamim-pahendrena izy, dia hoy Izy taminy: «Tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra ianao.» Ary hatramin’izay dia tsy nisy olona sahy nanontany Azy intsony.


Tamin’Izy niteny izany, izay rehetra nanohitra Azy dia nangaihay foana, fa ny vahoaka rehetra kosa nifaly noho ny zavatra malaza rehetra nataony.


Raha misy tsy manaiky ny teninay amin’ity taratasy ity, dia mariho izy, ka aza mikambakambana aminy intsony mba hahamenatra azy.


Koa tiako aza hanam-bady ireny mbola tanora ireny, mba hanan-janaka, sy hitondra ny tokantranony; ary tsy hanome basy hamelezan’ny fahavalo vava ratsy.


Raha misy mampianatra zavatra hafa noho izany, ka tsy manaiky ny teny marin’i Jesoa Kristy Tompontsika, sy ny teny fampianarana mampanaja an’Andriamanitra,


Aoka ny havantsika iray finoana koa hianatra hanao asa soa mba ho afa-manampy rehefa misy mahaporitra, fandrao olona tsy misy vokany izy.


Manaova fitondran-tena tsara eo afovoan’ny Jentily, mba hankalazany an’Andriamanitra amin’ny andron’ny famangiana, rehefa hitany ny asa soa ataonareo, na dia amin’ny zavatra anaovany anareo ho mpanao ratsy aza.


Fa izany no sitrapon’Andriamanitra, mba hanampenanareo ny vavan’ny adala sy tsy mahalala anareo, amin’ny asa soa ataonareo.


Aoka ho tsara ny hitsim-ponareo, mba ho amin’izay anendrikendrehana anareo indrindra no hampahamenatra an’ireo mpanaratsy ny fitondran-tena tsara ataonareo ao amin’i Kristy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra