Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Timoty 1:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Ireo teny efa renao tamiko no ataovy fenitra ho anao, ka tano mafy amin’ny finoana sy ny fitiavana ananantsika tafaray amin’i Kristy Jesoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Tano amin’ny finoana sy ny fitiavana ao amin’i Kristy Jesosy ny mariky ny teny tsy misy kilema izay efa renao tamiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Ireo teny efa renao tamiko no ataovy fenitra ho anao, ka tano mafy amin’ny finoana sy ny fitiavana ananantsika tafaray amin’i Kristy Jesoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Tano amin’ny finoana sy ny fitiavana ao amin’i Kristy Jesoa ny mariky ny fampianarana marina renao tamiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Tano amin’ny finoana sy ny fitiavana ao amin’i Kristy Jesosy ny mariky ny teny tsy misy kilema, izay efa renao tamiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Tano amin'ny finoana ny ny fitiavana ao amin'i Kristy Jesosy ny mariky ny teny tsy misy kilema, izay efa renao tamiko.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Tano amin’ny finoana sy ny fitiavana ao amin’i Kristy Jesosy ny mariky ny teny tsy misy kilema izay efa renao tamiko.

Jereo ny toko dika mitovy




2Timoty 1:13
30 Rohy Ifampitohizana  

Manàna toetra mahatoky, ka aza amidy izany; aza amidy koa ny fahendrena sy ny fanabeazana ary ny fahaiza-manavaka.


Hazon’aina sy fahasambarana ny fahendrena ho an’izay mitana azy sy mifikitra aminy.


Anaka, ny fahamalinana sy ny fahaiza-mandinika no ifikiro ka imasoy hatrany.


Tano mafy izay nanabeazana anao ka aza avela. Tehirizo izany fa foto-piainanao.


Ahy ny fahaiza-mamolavola sy mampihatra; Ahy koa ny fahaiza-manavaka sy ny hery manatanteraka.


ho mpitaiza ny tsy manam-pahendrena sy ho mpampianatra ny ankizy madinika, satria azonao antoka fa ny lalànan’i Mosesy no tena itarafana ny fahalalana feno sy ny hitsiny.


Isaorana Andriamanitra fa mpanompon’ny fahotana ianareo fahiny, ary ankehitriny kosa dia manaiky am-po tokoa ny fampianarana naroso taminareo.


Izao ihany: manàna fitondrantena mendrika ny Vaovao Mahafaly momba an’i Kristy. Ka amin’izany, tonga moa aho, dia hahita anareo; tsy tonga kosa, dia handre ny aminareo: ka ho fantatro fa miorina tsara amin’ny firaisam-panahy ianareo, sady miray fo miara-miezaka hampandroso ny finoana vokatry ny Vaovao Mahafaly.


Ataovy izay efa nianaranareo sy noraisinareo tamiko ary izay renareo sy hitanareo nataoko. Dia homba anareo Andriamanitra loharanon’ny fiadanana.


Eny, velom-pisaorana an’Andriamanitra izahay satria renay laza ny finoanareo an’i Kristy Jesoa sy ny fitiavanareo ny vahoakan’Andriamanitra rehetra.


diniho ny zavatra rehetra, ka tano izay tsara;


ny mpijangajanga, ny mpifampila samy lehilahy, ny mpivarotra olona, ny mpandainga sy mpianian-tsy to, ary izay manao zavatra mifanohitra amin’ny fampianarana tsy misy tomika.


Naidin’ny Tompontsika be dia be tamiko ny fahasoavany, mbamin’ny finoana sy ny fitiavana ananantsika tafaray amin’i Kristy Jesoa.


Raha misy manao fampianarana hafa, ka tsy manaiky ny teny tsy misy tomika nambaran’i Jesoa Kristy Tompontsika sy ny fampianarana mifanaraka amin’ny fivavahantsika,


Avy amiko Paoly ity taratasy ity, dia izaho apôstôlin’i Kristy Jesoa noho ny sitrapon’Andriamanitra mba hitory ny fiainana nampanantenaina izay ananantsika tafaray amin’i Kristy Jesoa.


Ny Fanahy Masina Izay mitoetra ao anatintsika no itahirizo ilay raki-tsoa nankinina taminao.


Ireo zavatra efa renao tamiko teo anatrehan’ny vavolombelona maro dia ankino amin’ny olona mahatoky, izay afaka mampianatra ny sasany koa.


Ianao kosa, mahareta tsara amin’izay nianaranao sy nekenao tokoa; satria fantatrao ireo olona nampianatra anao izany.


Eny, ho avy ny andro tsy hahazakan’ny olona intsony ny fampianarana tsy misy tomika; fa mpampianatra araka ny maha diavolana ny fony no havoriny ho azy sy hahalian-tsofina azy.


ary tokony hitana mafy ny hafatra azo antoka mifanaraka amin’ny foto-pampianarana. Amin’izay, ny mpitondra Fiangonana dia ho afaka hampirisika momba ny fampianarana tsy misy tomika sady handresy lahatra ireo mpanohitra izany.


Fa ianao kosa, dia izay mifanaraka amin’ny fampianarana tsy misy tomika no lazao.


teny tsy misy tomika sady tsy azo kianina ampiasaina, mba ho menatra ny mpanohitra anao, noho izy tsy hanan-kitenenan-dratsy antsika.


Aoka hohazonintsika mafy tsy azo hozongozonina ny fiekena ny zavatra antenaintsika, satria mahatoky Andriamanitra nanao ny fampanantenana.


Fa i Kristy kosa dia nahatoky araka ny maha Zanaka Azy, ka mifehy ny tranon’Andriamanitra; ary dia isika izany tranon’Andriamanitra izany, raha mitana ny fahasahiana sy ny fanantenana ireharehantsika.


Aoka àry hotanantsika mafy ny finoana efa nekentsika, satria isika manana Mpisorombe tsy anoharana Izay lasa namakivaky ny lanitra, dia i Jesoa ilay Zanak’Andriamanitra.


Ry hava-malala, teo am-piezahana mafy hanoratra ho anareo ny amin’ny famonjena iombonantsika aho no nisy nahatery ahy hanoratra aminareo, mba hampirisika anareo hikely aina hiaro ny finoana izay efa natolotra tanteraka tamin’ny vahoakan’Andriamanitra.


fa izay anananareo no tano mafy mandra-piaviko.


Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao.


Koa tsarovy izay fomba nandraisanao sy nihainoanao ny tenin’Andriamanitra ary dia tano izany ka ialao ny toe-dratsinao. Raha tsy miambina ianao, dia ho avy toy ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hiaviako aminao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra