Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Petera 2:21 - Baiboly Katolika

Satria aleo tsy nahalala ny lalan’ny fahamarinana izy, toy izay efa nahalala vao hihemotra handao ny lalana masina nampianarina azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa tsara aminy raha tsy nahalala ny lalan’ny fahamarinana akory izy, toy izay hiala amin’ny didy masina natolotra azy, rehefa nahalala izany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Aleo manko tsy nahafantatra ny lala-marina soritan’Andriamanitra izy, toy izay efa nahafantatra vao nihemotra mandao ny didy masina natolotra azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Aleo manko tsy nahafantatra ny lala-marina soritan’Andriamanitra izy, toy izay efa nahafantatra vao nihemotra mandao ny didy masina natolotra azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa tsara aminy raha tsy nahalala ny làlan’ny fahamarinana toy izay hiala amin’ny didy masina natolotra azy, rehefa nahalala izany izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa tsara aminy raha tsy nahalala ny lalan'ny fahamarinana toy izay hiala amin'ny didy masina natolotra azy, rehefa nahalala izany izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa tsara aminy raha tsy nahalala ny lalan’ny fahamarinana akory izy, toy izay hiala amin’ny didy masina natolotra azy, rehefa nahalala izany.

Jereo ny toko



2Petera 2:21
24 Rohy Ifampitohizana  

Fa raha ireo mivily amin’ny lala-miolikolika kosa, aoka izy hafoin’i Iaveh miaraka amin’izay manao ratsy. Fiadanana anie ho amin’i Israely!


Ry Iaveh, asehoy anay ny hatsaram-ponao, ary omeo anay ny famonjenao.


Fiainana no eo amin’ny lalan’ny fahamarinana; ary tsy fahafatesana no eo amin’ny lalana soritany.


Satroboninahitra ny volo fotsy; ary eo amin’ny lalan’ny fahamarinana no ahitana azy.


Ary raha miala amin’ny fahamarinana kosa ny marina ka manao ny tsy marina, araka ny fahavetavetana rehetra ataon’ny ratsy fanahy, - moa hanao izany izy va ka ho velona? - Tsy hotsarovana intsony ny asa fahamarinana rehetra narahiny; noho ny fahadisoana nahameloka azy sy ny fahotana nataony, noho izany dia ho faty izy.


Hitako fa nandoto tena koa izy; lalana iray no nomban’izy roa vavy.


Raha misy olo-marina miala amin’ny fahamarinana sy manao heloka, ka mametraka fandrika eo anoloany aho, dia ho faty izy; noho ianao tsy nananatra azy dia ho faty amin’ny fahotany izy; ny asa fahamarinana nataony kosa tsy hotsarovana intsony; ary ny rany kosa hadiniko amin’ny tananao.


Na efa nilaza tamin’ny marina aza Aho, fa ho velona marina izy; raha sendra mitoky ny fahamarinany kosa izy, ka manao ny ratsy, dia tsy hotsarovana intsony ny asa marina rehetra nataony, fa ny ratsy nataony dia izany ihany no anton’ny fahafatesany.


sy ireo mihataka miala amin’i Iaveh, izay tsy mitady an’i Iaveh, ary tsy manan-draharaha Aminy akory.


«Fa tonga teto aminareo tamin’ny lalan’ny fahamarinana i Joany, nefa ianareo tsy nino azy; fa ny Poblikanina sy ny vehivavy janga no nino azy; ary ianareo, na dia nahita izany aza, dia tsy mbola nanenina akory mba hinoanareo azy.»


Izay mpanompo nahalala ny sitrapon’ny tompony ihany nefa tsy niomana, na tsy nanao araka ny sitrapony, no hokapohina imbetsaka;


Raha tsy tonga Aho ka tsy niteny taminy, dia tsy nanan-keloka izy; fa ankehitriny tsy manana fialan-tsiny izy amin’ny fahotany.


Dia hoy i Jesoa taminy: «Raha jamba ianareo, dia tsy ho nanan-keloka; fa noho ianareo ankehitriny manao hoe: Mahiratra izahay, dia tsy afaka ny helokareo.»


Masina ihany anefa ny Lalàna, ary masina ny didy, sady marina no tsara.


Mifampitondrà ny mavesatra ianareo, dia ho tanterakareo amin’izany ny lalàn’i Kristy;


Efa fantatrareo, araka ny didy nomenay anareo avy amin’i Jesoa Tompo,


tahirizo tsy hanam-pentina na hisy tsiny ny didy, hatramin’ny fisehoan’i Jesoa Kristy Tompontsika,


Satria rehefa mahalala ny marina isika no minia manota indray, dia tsy misy sorona hafa noho ny ota intsony;


Ary izay efa mahalala ny mety hatao nefa tsy manao, dia meloka.


mba hahatsiarovanareo ny zavatra nambaran’ny mpaminany masina rahateo, mbamin’ny didin’ny Tompo sy Mpamonjy antsika nampianarin’Apôstôlinareo.


Ry malala, noho ny faniriako mafy hanoratra aminareo ny amin’ny famonjena iombonantsika, dia voatery hanoratra ity taratasy ity ho anareo aho, mba hamporisika anareo hikely aina hiaro ny finoana, izay natolotra ny olo-masina indray mandeha monja.