2Petera 2:21 - DIEM PROTESTANTA21 Aleo manko tsy nahafantatra ny lala-marina soritan’Andriamanitra izy, toy izay efa nahafantatra vao nihemotra mandao ny didy masina natolotra azy. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201121 Fa tsara aminy raha tsy nahalala ny lalan’ny fahamarinana akory izy, toy izay hiala amin’ny didy masina natolotra azy, rehefa nahalala izany. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara21 Aleo manko tsy nahafantatra ny lala-marina soritan’Andriamanitra izy, toy izay efa nahafantatra vao nihemotra mandao ny didy masina natolotra azy. Jereo ny tokoBaiboly Katolika21 Satria aleo tsy nahalala ny lalan’ny fahamarinana izy, toy izay efa nahalala vao hihemotra handao ny lalana masina nampianarina azy. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy21 Fa tsara aminy raha tsy nahalala ny làlan’ny fahamarinana toy izay hiala amin’ny didy masina natolotra azy, rehefa nahalala izany izy. Jereo ny tokoMalagasy Bible21 Fa tsara aminy raha tsy nahalala ny lalan'ny fahamarinana toy izay hiala amin'ny didy masina natolotra azy, rehefa nahalala izany izy. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache21 Fa tsara aminy raha tsy nahalala ny lalan’ny fahamarinana akory izy, toy izay hiala amin’ny didy masina natolotra azy, rehefa nahalala izany. Jereo ny toko |
Andeha hataontsika hoe misy olo-marina iray miala amin’ny tsara ka manao ny ratsy: hataoko hampidi-doza aminy izany ka ho faty izy. Raha tsy mampitandrina azy ny amin’io loza io ianao, dia ho faty noho ny otany izy; fa tsy hisaiko ny asa soa nataony taloha ary ianao no tazoniko ho tompon’andraikitra amin’ny fahafatesany.
Eny, tonga teo aminareo i Jôhany Mpanao batisa, ary naneho taminareo ny lala-marina voasoritr’Andriamanitra, saingy tsy nino an’i Jôhany ianareo, fa ireo mpamory hetra sy vehivavy mpivarotena no nino azy; ary ianareo kosa, na dia efa nahita azy ireny aza, dia mbola tsy nanenina ihany taorian’izany mba hinoanareo an’i Jôhany.