Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 6:3 - Baiboly Katolika

Raha efa izany, dia nitodika ny fiangonan’i Israely ny mpanjaka ary nitso-drano azy, ary ny fiangonan’i Israely rehetra dia tafatsangana. Dia hoy izy:

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nitodika ny mpanjaka ka nitsodrano ny fiangonana, dia ny Israely rehetra, ary nitsangana avokoa ny fiangonana, dia ny Israely rehetra.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nitsangana avokoa tamin’izay ny Israelita rehetra tafangona teo; dia nitodika tamin’izy ireo ny mpanjaka ary niarahaba azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nitsangana avokoa tamin’izay ny Israelita rehetra tafangona teo; dia nitodika tamin’izy ireo ny mpanjaka ary niarahaba azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny mpanjaka nitodika ka nitso-drano ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra (nitsangana avokoa ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra),

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny mpanjaka nitodika ka nitso-drano ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra (nitsangana avokoa ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra),

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nitodika ny mpanjaka ka nitsodrano ny fiangonana, dia ny Israely rehetra, ary nitsangana avokoa ny fiangonana, dia ny Israely rehetra.

Jereo ny toko



2Tantara 6:3
13 Rohy Ifampitohizana  

Dia natodiky ny mpanjaka ny tavany ary notsofiny rano ny fiangonan’i Israely rehetra, ary tafatsangana avokoa ny fiangonan’i Israely rehetra.


Nony vitan’i Davida ny fanolorana ny sorona dorana sy ny sorom-pihavanana, dia nitso-drano ny vahoaka tamin’ny Anaran’i Iaveh izy.


Nony vita ny sorona dorana dia nandohalika nitsaoka ny mpanjaka mbamin’izay rehetra teo aminy.


Tonga i Ezekiasa sy ny lehibe ka nony nahita ireo antontany, dia nisaotra an’i Iaveh sy i Israely izy ireo.


Ary nanao trano aho, ka ho fonenanao izy, ary toerana mba hitoeranao mandrakizay.»


«Hisaorana anie i Iaveh Andriamanitr’i Israely, fa ny vavany nilaza tamin’i Davida raiko, ary ny tanany nanatanteraka ilay nolazainy hoe:


Ny mpifehy koa hiditra miaraka amin’izy ireo, sy hivoaka toy ny hivoahan’izy ireo.


Ary be ny vahoaka nitangorona teo aminy, ka niditra teo an-tsambo kely Izy, dia nipetraka teo, ary ny olona rehetra kosa teo amoron-drano.


Dia nitso-drano azy ireo i Jôsoe ary nandefa azy, ka lasa nankany amin’ny lainy izy ireo.