Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 31:8 - Baiboly Katolika

8 Tonga i Ezekiasa sy ny lehibe ka nony nahita ireo antontany, dia nisaotra an’i Iaveh sy i Israely izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Nony avy i Hezekia sy ny mpanapaka ka nahita ireo zavatra niavosa ireo dia nisaotra NY TOMPO sy ny Israely olony izy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

8 Nony tonga hijery ireo zavatra niavosa ireo i Hezekià sy ny manampahefana, dia nisaotra ny TOMPO sy ilay Israely vahoakany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Nony tonga hijery ireo zavatra niavosa ireo i Hezekià sy ny manampahefana, dia nisaotra ny TOMPO sy ilay Israely vahoakany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Ary nony avy Hezekia sy ny mpanapaka ka nahita ireo niavosa ireo, dia nisaotra an’i Jehovah sy ny Isiraely olony izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Ary nony avy Hezekia sy ny mpanapaka ka nahita ireo niavosa ireo, dia nisaotra an'i Jehovah sy ny Isiraely olony izy.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 31:8
20 Rohy Ifampitohizana  

Ary rehefa tapitra naterin’i Davida ny sorona dorana sy ny sorom-pihavanana dia nitso-drano ny vahoaka tamin’ny anaran’i Iavehn’ny tafika izy.


Nony nitsangana izy dia nitso-drano ny fiangonan’i Israely rehetra nanao hoe:


Nahafaly ny vahoaka ny fanatiny an-tsitrapo, satria tamim-po mazava no nanaovany an’izany fanatitra izany ho an’i Iaveh. I Davida mpanjaka koa faly dia faly tamin’izany.


Tamin’ny volana fahatelo no natomboka ny manao antontany ka tamin’ny volana fahafito vao vita.


Ary nanontanian’i Ezekiasa ny amin’ireo antontany ireo, ny mpisorona sy ny Levita.


Raha efa izany, dia nitodika ny fiangonan’i Israely ny mpanjaka ary nitso-drano azy, ary ny fiangonan’i Israely rehetra dia tafatsangana. Dia hoy izy:


«Hisaorana anie i Iaveh Andriamanitry ny razantsika izay nanome hevitra ny fon’ny mpanjaka mba hanome voninahitra ny tranon’i Iaveh ao Jerosalema toy izany,


Sambatra ny firenena, miarana amin’izany zava-tsoa izany. Sambatra ny firenena manana an’i Iaveh ho Andriamaniny.


Sambatra ny firenena manana an’i Iaveh ho Andriamaniny; sambatra ny vahoaka nofidiny ho lovany!


Hisaorana anie Andriamanitra, fa nalatsany ao am-pon’i Tito koa ho anareo izany fahazotoana izany;


Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, Izay nitso-drano antsika tao amin’i Kristy, amin’ny tso-drano rehetra ara-panahy any an-danitra,


Sambatra ianao, ry Israely! Zovy moa no toa anao! Fa ianao dia vahoaka voavonjin’i Iaveh, izay ampingan’ny famonjena anao, sabatry ny voninahitrao. Hihatsaravelatsihy eo anoloanao ny fahavalonao, fa ianao kosa handia ny havoany».


Nahazo hafaliana lehibe ao amin’ny Tompo aho, fa indro hitako mamòny indray izao ny fitsinjovanareo ahy; tao aminareo mandrakariva izany, saingy ny zavatra hohararaotinareo no tsy mbola nisy.


Fa Andriamanitro kosa no hamonona izay ilainareo rehetra, araka ny hareny, sady hampombainy voninahitra ao amin’i Kristy Jesoa izany.


Fisaorana manao ahoana re no azonay avaly an’Andriamanitra, noho ny aminareo sy noho ny hafaliana tanteraka tsaroanay noho ny aminareo eo anatrehan’Andriamanitra!


Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, izay niteraka antsika indray, araka ny haben’ny famindram-pony, noho ny fitsanganan’i Jesoa Kristy ho velona, ho amin’ny fanantenana velona,


Miantoraka amin’ny mpitondra an’i Israely ny foko sy amin’ny vahoaka anisan’ny nanolo-tena: Misaora an’i Iaveh!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra