Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 4:6 - Baiboly Katolika

Nanao tavin-drano folo izy, ho fidiovana; ny dimy nataony teo amin’ny havanana, ny dimy teo amin’ny havia; ireo natao fanasana ny zavatra hatolotra ho sorona dorana. Ny ranomasina natao fidiovan’ny mpisorona.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nanao koveta varahina folo koa izy mba ho fidiovana, nataony teo amin’ny ankavanana ny dimy, ary teo amin’ny ankavia ny dimy; ary tao no nanasana ny zavatra hatao fanatitra dorana manontolo; fa ny koveta lehibe kosa dia ho fisasan’ny mpisorona.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia nanao ny kovetabe halimo folo i Horama mba ho fanasàn-tsorona, ka ny dimy napetraka teo amin’ny ankavanana, fa ny dimy teo amin’ny ankavia; ny zavatra fanao sorona dorana manontolo no nakobaka teo. Ny fitobian-drano goavana kosa dia fidiovan’ny mpisorona.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nanao ny kovetabe halimo folo i Horama mba ho fanasàn-tsorona, ka ny dimy napetraka teo amin’ny ankavanana, fa ny dimy teo amin’ny ankavia; ny zavatra fanao sorona dorana manontolo no nakobaka teo. Ny fitobian-drano goavana kosa dia fidiovan’ny mpisorona.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nanao tavin-drano folo koa izy hanasana, ny dimy nataony tamin’ny ankavanana, ary ny dimy tamin’ny ankavia; ary ny zavatra hatao fanatitra dorana dia nakobaka teo; fa ny tavin-drano lehibe kosa dia fisasan’ny mpisorona.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nanao tavin-drano folo koa izy hanasana, ny dimy nataony tamin'ny ankavanana, ary ny dimy tamin'ny ankavia; ary ny zavatra hatao fanatitra dorana dia nakobaka teo; fa ny tavin-drano lehibe kosa dia fisasan'ny mpisorona.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nanao koveta varahina folo koa izy mba ho fidiovana, nataony teo amin’ny ankavanana ny dimy, ary teo amin’ny ankavia ny dimy; ary tao no nanasana ny zavatra hatao fanatitra dorana manontolo; fa ny koveta lehibe kosa dia ho fisasan’ny mpisorona.

Jereo ny toko



2Tantara 4:6
16 Rohy Ifampitohizana  

Dia nanao fitoeran-drano varahina folo izy, samy nahalany efapolo vata avy, efatra hakiho ny haben’ny fitoeran-drano avy, samy nitombina tamin’ny tongotra anankiray tamin’ny iray amin’ny tongotra folo.


Nanao ny vilany sy ny sotron’afo ary ny kapoaka i Hirama Ary vitan’i Hirama ny asa rehetra nataony ho an’i Salômôna mpanjaka, tao amin’ny tranon’i Iaveh:


Nanao ranomasina anìdina izy: folo hakiho ny haben’ny vavany ary boribory izy manontolo; dimy hakiho ny haavony, ary kofehy telopolo hakiho no maharefy azy manodidina.


fony i Natàna mpaminany nankao aminy, nony efa nandeha tamin’i Betsabea izy.


«Dia ampandrosoy i Aarôna sy ireo zanany ho eo amin’ny fidirana amin’ny trano lay fihaonana, ka ampandroy amin’ny rano izy.


Niteny tamin’i Môizy koa i Iaveh nanao hoe:


Nisy efitrano mbamin’ny varavarana momba azy, teo anilan’ny andrin’ny vavahady; teo no nanasana ny sorona dorana.


Hosasany amin’ny rano ny tsinainy aman-tongony, dia indray hatolotry ny mpisorona sy hodorany hanetona eo ambony ôtely avokoa izy rehetra. Sorona dorana izany, dia sorona atao amin’ny afo ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh.


Sasana amin’ny rano ny tsinainy aman-tongony, dia indray doran’ny mpisorona hanetona eo ambony ôtely avokoa izy rehetra. Sorona dorana izany, dia sorona atao amin’ny afo ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh.


Ary efa mba toy izany ihany koa ianareo, na ny sasany aminareo saingy efa nosasana, efa nohamasinina, efa nohamarinina tamin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompo, sy tamin’ny Fanahin’Andriamanitsika ianareo.


mainka ny Ran’i Kristy izay nanolotra ny Tenany tsy manan-tsiny tamin’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny Fanahy mandrakizay, no hanadio ny fontsika ho afaka amin’ny asa maty, mba hanompoantsika an’Andriamanitra velona!


Koa raha ny tandindon’ny zavatra any an-danitra no tsy maintsy ho nodiovina toy izany, mainka sorona tsara lavitra noho ireny no tsy maintsy nanamasinana ny tenan’ny zavatra any an-danitra.


Fa raha mandeha amin’ny mazava toa Azy ao amin’ny mazava kosa isika, dia mifampikambana isika rehetra, ary ny Ran’i Jesoa Kristy Zanany dia manadio antsika amin’ny ota rehetra.


Dia hoy ny navaliko azy: «Ianao no mahalala, Tompoko.» Ary hoy izy tamiko: «Ireo no avy tamin’ny fampijaliana lehibe, nanasa sy namotsy ny akanjony tamin’ny Ran’ny Zanak’ondry.