2Tantara 28:1 - Baiboly Katolika Ary 20 taona i Akaza fony vao nanjaka, ary 16 taona no nanjakany teo Jerosalema. Tsy nanao izay mahitsy eo anatrehan’i Iaveh tahaka an’i Davida rainy izy, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Roapolo taona i Ahaza raha nanomboka nanjaka ary enina amby folo taona no nanjakany tany Jerosalema; tsy nanao izay mahitsy teo imason’NY TOMPO tahaka an’i Davida rainy izy DIEM PROTESTANTA Feno roapolo taona i Ahaza fony izy tonga mpanjaka; ary naharitra 16 taona no nanjakany tao Jerosalema. Tsy mba nanao izay mahitsy eo imason’ny TOMPO tahaka an’i Davida razambeny izy, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Feno roapolo taona i Ahaza fony izy tonga mpanjaka; ary naharitra 16 taona no nanjakany tao Jerosalema. Tsy mba nanao izay mahitsy eo imason’ny TOMPO tahaka an’i Davida razambeny izy, Baiboly Protestanta Malagasy ROA-POLO taona Ahaza, fony izy vao nanjaka, ary enina ambin’ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema; ary tsy mba nanao izay mahitsy eo imason’i Jehovah tahaka an’i Davida rainy izy, Malagasy Bible Roa-polo taona Ahaza, fony izy vao nanjaka, ary enina ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema; ary tsy mba nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah tahaka an'i Davida rainy izy, La Bible en Malgache Roapolo taona i Ahaza raha nanomboka nanjaka ary enina amby folo taona no nanjakany tany Jerosalema; tsy nanao izay mahitsy teo imason’NY TOMPO tahaka an’i Davida rainy izy |
Nomban’i Iaveh i Jôsafata fa nandeha tamin’ny lalana voalohany nalehan’i Davida rainy; tsy nikatsaka an’ireo Baala izy
Nanao izay mahitsy eo imason’i Iaveh, araka izay rehetra nataon’i Oziasa rainy izy, fa tsy mba niditra tao an-tempolin’i Iaveh; ny vahoaka kosa mbola niharatsy ihany.
Dia nody mandry any amin’ny razany i Joatama, ka nalevina tao an-tanànan’i Davida. Ary i Akaza zanany no nanjaka nandimby azy.
Satria naetrin’i Iaveh i Jodà, noho ny amin’i Akaza mpanjakan’i Israely izay nampitombo ny fitondran-tena ratsy teo amin’i Jodà sy nanao heloka tamin’i Iaveh.
Fahitan’i Izaia, zanak’i Amôsa, momba an’i Jodà sy i Jerosalema, izay hitany tamin’ny andron’i Oziasa, i Joatama, i Akaza ary i Ezekiasa, mpanjakan’i Jodà.
Tenin’i Iaveh, tonga tamin’i Osea, zanak’i Beeri, tamin’ny andron’i Oziasa sy i Joatama sy i Akaza ary i Ezekiasa, mpanjakan’i Jodà, sy tamin’ny andron’i Jerôbôama, zanak’i Jôasa, mpanjakan’i Israely.
Tenin’i Iaveh natao tamin’i Mikea avy ao Môreseta, tamin’ny andro nanjakan’i Joatana sy i Akaza ary i Ezekiesa, mpanjakan’i Jodà, izay nahazoany fahitana momba an’i Samaria sy i Jerosalema.
i Oziasa niteraka an’i Joatama; i Joatama niteraka an’i Akaza; i Akaza niteraka an’i Ezekiasa;