2Tantara 23:13 - Baiboly Katolika
Nijery izy ka inty ny mpanjaka nitsangana teo amin’ny lampihazo eo amin’ny fidirana; ny lehibe amam-pitsòka trômpetra nanotrona ny mpanjaka, ary ny vahoaka rehetra amin’ny tany revon-kafaliana; ny trômpetra notsofiny; ary ny mpihira an-java-maneno nanoro hevitra momba ny hira fiderana. Nandriatra ny fitafiany i Atalia ka niantso hoe: «Fikomiana! Fikomiana!»
Jereo ny toko
Ary hitany fa indro, nitsangana teo amin’ny fitoeran’andriana teo amin’ny fidirana ny mpanjaka, ary ny andriandahy sy ny mpitsoka ny trompetra dia teo anilan’ny mpanjaka; ary ny vahoaka rehetra dia nifaly sady nitsoka ny trompetra, ary ny mpihira no nitarika ny hira fiderana amin’ny zavamaneno isan-karazany. Dia nandriatra ny fitafiany i Atalia ka niantso hoe: Fikomiana! Fikomiana!
Jereo ny toko
Ary indro hitany ny mpanjaka vaovao nitsangana tambonin’ny lampihazo teo amin’ny fidirana, ka ny mpihira sy ny mpitsoka trompetra no teo anilany; nifaly ny vahoaka rehetra, nampaneno trompetra ny mpitsoka mozika, ary nandredona hira fiderana ireo mpihira omban’ny zava-maneno isan-karazany. Fa i Hatalià kosa nandriatra ny fitafiany sady niantsoantso hoe: «Fikomiana! Fikomiana!»

Ary hitany fa, indro, ny mpanjaka nitsangana teo amin’ny fitoeran’andriana teo amin’ny fidirana, ary ny mpanapaka sy ny mpitsoka ny trompetra dia teo anilan’ny mpanjaka; ary ny vahoaka rehetra dia nifaly sady nitsoka ny trompetra, ary ny mpihira amin’ny zava-maneno isan-karazany no nitarika ny hira fiderana. Dia nandriatra ny fitafiany Atalia ka niantso hoe: Fikomiana! fikomiana!
Jereo ny toko
Ary hitany fa, indro, ny mpanjaka nitsangana teo amin'ny fitoeran'andriana teo amin'ny fidirana, ary ny mpanapaka sy ny mpitsoka ny trompetra dia teo anilan'ny mpanjaka; ary ny vahoaka rehetra dia nifaly sady nitsoka ny trompetra ary ny mpihira amin'ny zava-maneno isan-karazany no nitarika ny hira fiderana. Dia nandriatra ny fitafiany Atalia ka niantso hoe: Fikomiana! fikomiana!