Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 7:8 - Baiboly Katolika

8 Dia nakan’izy telon-jato lahy ny vatsin’ny vahoaka sy ny trômpetrany, izay dia nalefan’i Jedeôna hody ny olona sisa rehetra tamin’i Israely, samy ho any an-dainy, fa notanany ny telon-jato lahy. Ny tobin’ny Madianita dia teo ambaniny teo amin’ny tany lemaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Dia noraisin’ireo an-tanana ny vatsy izay teo amin’ny olona, mbamin’ny anjomarany. Ary ny Israely sisa dia nalefany hody samy ho any amin’ny tranolainy avy, fa ny telonjato lahy ihany no nohazoniny. Ary ny tobin’ny Midianita dia teo ambaniny, teo an-dohasaha.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

8 Koa telonjato lahy ihany no notazonin’i Gidehôna hiaraka aminy fa ny Israelita hafa rehetra nalefany hody any amin’ny fonenany avy; saingy notazonina kosa ny vatsy sy ny trompetran’ireo nandeha. Ny tobin’ny Midianita dia terỳ ambany kokoa tao amin’ny lemaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Koa telonjato lahy ihany no notazonin’i Gidehôna hiaraka aminy fa ny Israelita hafa rehetra nalefany hody any amin’ny fonenany avy; saingy notazonina kosa ny vatsy sy ny trompetran’ireo nandeha. Ny tobin’ny Midianita dia terỳ ambany kokoa tao amin’ny lemaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Ary ny olona nitondra vatsy sy ny anjomarany teny an-tànany; ary ny Isiraely sisa dia nalefany hody samy ho any amin’ny lainy avy, fa ny telon-jato lahy ihany no nohazoniny; ary ny tobin’ny Midiana dia teo ambaniny teo an-dohasaha.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Ary ny olona nitondra vatsy sy ny anjomarany teny an-tànany; ary ny Isiraely sisa dia nalefany hody samy ho any amin'ny lainy avy, fa ny telon-jato lahy ihany no nohazoniny; ary ny tobin'ny Midiana dia teo ambaniny teo an-dohasaha.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Dia noraisin’ireo an-tanana ny vatsy izay teo amin’ny olona, mbamin’ny anjomarany. Ary ny Israely sisa dia nalefany hody samy ho any amin’ny tranolainy avy, fa ny telonjato lahy ihany no nohazoniny. Ary ny tobin’ny Midianita dia teo ambaniny, teo an-dohasaha.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 7:8
11 Rohy Ifampitohizana  

Ary hisy zavatra toy izao amin’izany andro izany: haneno ny trômpetra lehibe, ka izay very tany amin’ny tanin’i Asora, mbamin’izay voasesitany, tany amin’ny tany Ejipta, dia hody ka hiankohoka eo anatrehan’i Iaveh, ao amin’ny tendrombohitra masina, ao Jerosalema.


«Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao hoe: Amin’ny volana fahafito, andro voalohan’ny volana, dia hisy fitsaharana lehibe ho anareo, hantsoina amin’ny feon’ny anjomara, fivoriana masina.


Ny andro fahafolon’ny volana fahafito dia tsofy ataovy manakoako ny feon’ny trômpetra; amin’ny andron’ny fanonerana dia tsofy hatraiza hatraiza eo amin’ny taninareo ny trômpetra.


Any amin’ny taninareo raha handeha hiantafika amin’ny fahavalo mananika anareo ianareo, dia hitsoka ny trômpetra mikarantsana, ka ho tonga ao amin’i Iaveh Andriamanitrareo ny fahatsiarovana anareo, ka ho voavonjy amin’ny fahavalonareo.


Rehefa maneno ny trômpetra farany, fa hotsofina ny trômpetra, dia hitsangana miaraka amin’ny vava ny maty tsy ho lo intsony, ary hovana indray mipỳ maso monja isika.


Dia nanakora ny vahoaka, ary nitsoka trômpetra ny mpisorona. Nony nandre ny feon’ny trômpetra ny vahoaka dia nanakora mafy dia mafy, ary nirodana ny manda; koa samy niakatra ny tanàna tamin’ny hitsiny avy ny vahoaka.


Mpisorona fito no hitondra trômpetra fito mafy faneno eo alohan’ny fiara, ary amin’ny andro fahafito ianareo handeha manodidina impito ny tanàna, ary ny mpisorona hitsoka ny trômpetra.


Vao tonga izy dia notsofiny ny trômpetra tany amin’ny tendrombohitra Efraima. Nidina avy any amin’ny tendrombohitra niaraka taminy, ny zanak’i Israely, ary izy no nitarika azy ireo.


Ary nivory i Madiàna sy i Amaleka mbamin’ny zanaky ny Atsinanana rehetra, ka nita an’i Jordany izy, dia nitoby teo amin’ny tany lemaka Jezraela.


Ka hoy i Iaveh tamin’i Jedeôna: «Amin’ireo telon-jato lahy nilelaka ireo, no hanafahako anareo, sy hanolorako an’i Madiàna ho eo an-tananao, fa ny vahoaka sisa rehetra aoka samy hody any aminy avy».


Tamin’ny alin’izay, dia hoy i Iaveh tamin’i Jedeôna: «Mitsangàna ianao, ka midìna ho any an-toby, fa efa natolotro ho eo an-tananao izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra