Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 21:7 - Baiboly Katolika

Tsy tian’i Iaveh anefa ny handringana ny taranak’i Davida noho ny fanekena nataony tamin’i Davida sy noho ny teny nataony taminy fa hanome jiro azy mbamin’ny taranany mandrakariva.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nefa NY TOMPO tsy nety nandringana ny taranak’i Davida noho ny fanekena nataony tamin’i Davida sy ny nilazany fa homeny jiro mandrakizay izy mbamin’ny taranany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Kanefa ny TOMPO tsy te handringana ny taranak’i Davida noho ny fanekempihavanana nataony tamin’i Davida sy ny nilazany fa homeny jiro mandrakizay izy sy ny taranany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Kanefa ny TOMPO tsy te handringana ny taranak’i Davida noho ny fanekempihavanana nataony tamin’i Davida sy ny nilazany fa homeny jiro mandrakizay izy sy ny taranany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Nefa Jehovah tsy nety nandringana ny taranak’i Davida noho ny fanekena nataony tamin’i Davida sy ny nilazany fa homeny jiro mandrakizay izy mbamin’ny taranany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Nefa Jehovah tsy nety nandringana ny taranak'i Davida noho ny fanekena nataony tamin'i Davida sy ny nilazany fa homeny jiro mandrakizay izy mbamin'ny taranany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nefa NY TOMPO tsy nety nandringana ny taranak’i Davida noho ny fanekena nataony tamin’i Davida sy ny nilazany fa homeny jiro mandrakizay izy mbamin’ny taranany.

Jereo ny toko



2Tantara 21:7
19 Rohy Ifampitohizana  

Fa tonga namonjy an’i Davida kosa i Abisaia zanak’i Sarvià, ka namono nahafaty an’ilay Filistinina. Nanaovan’ny olon’i Davida fianianana izy tamin’izay, ka nataony hoe: «Tsy hiara-mivoaka aminay hiady intsony ianao, ka tsy hamono ny fanilon’i Israely.»


Tsy toy izany va ny fianakaviako amin’Andriamanitra? Satria fanekena mandrakizay no nataony tamiko, voalamina sy voatandrina tsara indrindra; ka hampitsimohiny tokoa ny famonjena ahy rehetra sy ny sitraky ny fony rehetra.


Ary tsy dia ny fanjakana manontolo koa aza no hoendahako, fa hamelako foko iray ihany ny zanakao, noho ny amin’i Davida mpanompoko, sy noho ny amin’i Jerosalema izay voafidiko.»


Homeko foko iray ny zanany mba hananan’i Davida mpanompoko, fanilo eo anatrehako mandrakariva, any Jerosalema izay tanàna voafidiko hametrahako ny Anarako.


Noho ny amin’i Davida anefa, i Iaveh Andriamaniny dia nanome fanilo azy tao Jerosalema ihany, fa nanangana ny zanany handimby azy, sady nampaharitra an’i Jerosalema.


Tsy naringan’i Iaveh anefa i Jodà noho ny amin’i Davida mpanompony, araka ny fampanantenany hanome azy jiro tsy tapaka eo amin’ny taranany.


Ary nody mandry any amin’ny razany i Jôrama, ka nalevina tao amin’ny razany, ao an-tanànan’i Davida; dia i Okoziasa zanany no nanjaka nandimby azy.


I Jôasa zanak’i Okoziasa anefa, nalain’i Jôsabeta zanaka vavin’ny mpanjaka, nesoriny avy tamin’ireo zanaky ny mpanjaka izay novonoina tamin’izay, ka napetrany tao an’efitranom-parafara, izy sy ny mpitaiza azy. Toy izany no nanafenan’i Jôsabeta zanaka vavin’i Jôrama mpanjaka, vadin’i Jôiadà mpisorona, anabavin’i Okoziasa, an’i Jôasa, ka tsy nahitan’i Atalia azy, sy tsy nahafatesany azy.


Nanao fanekena tamin’ny mpanjaka tao an-tranon’Andriamanitra avokoa ny fiangonana rehetra teo. Hoy i Jôiadà tamin’izy ireo: «Indro hanjaka ny zanaky ny mpanjaka araka ny voalazan’i Iaveh, ny amin’ny taranak’i Davida.


Ary ankehitriny, ry Iaveh Andriamanitr’i Israely ô, tanteraho noho ny fitiavanao an’i Davida mpanomponao raiko, ny teny nataonao taminy hoe: ‹Tsy ho lany taranaka eo anatrehako ianao, fa hisy hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Israely mandrakizay, raha tany ny taranakao mitandrina ny lalana alehany ka mizotra amin’ny lalàko toy ny fandehananao eo anatrehako.›


I Iaveh nianiana marina tamin’i Davida, ka tsy hitsoaka amin’izany: Ny ateraky ny kibonao, no hapetrako eo amin’ny seza fiandriananao.


Kanjo narianao sy tsy nasianao raharaha, ary notezeranao ilay Voahosotrao!


ary nanangana tandro-pamonjena ho antsika tao amin’ny fokon’i Davida mpanompony,


mba hanilo izay rehetra mipetraka ao amin’ny maizina sy amin’ny aloky ny fahafatesana, ka hitarika ny diantsika ho amin’ny làlam-piadanana.»