2Tantara 22:11 - Baiboly Katolika11 I Jôasa zanak’i Okoziasa anefa, nalain’i Jôsabeta zanaka vavin’ny mpanjaka, nesoriny avy tamin’ireo zanaky ny mpanjaka izay novonoina tamin’izay, ka napetrany tao an’efitranom-parafara, izy sy ny mpitaiza azy. Toy izany no nanafenan’i Jôsabeta zanaka vavin’i Jôrama mpanjaka, vadin’i Jôiadà mpisorona, anabavin’i Okoziasa, an’i Jôasa, ka tsy nahitan’i Atalia azy, sy tsy nahafatesany azy. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201111 Fa i Joseba, zanakavavin’ny mpanjaka, dia naka an’i Joasy, zanak’i Ahazia, ka nanala azy avy teo amin’ireo zanaky ny mpanjaka izay novonoina, dia nampiditra azy sy ny mpitaiza azy ho ao amin’ny efitrano fandriana. Nafenin’i Joseba, zanakavavin’i Jehorama mpanjaka, vadin’i Joiada mpisorona, izy, fa anabavin’i Ahazia mantsy Ravehivavy, mba tsy ho hitan’i Atalia, dia tsy voavonony izy. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA11 Kanefa i Jôsebà, zanakavavin’i Jôrama mpanjaka, dia naka an’i Jôasy zanakalahin’i Ahazià ka namonjy azy teo anivon’ireo rahalahiny efa novonoina; ary napetrany tao an’efitrano fandriana niaraka tamin’ny mpitaiza azy. Io Jôsebà vadin’i Jôiadà mpisorona sady zanakavavin’i Jôrama mpanjakan’i Joda io moa dia anabavin’i Ahazià; nafenin’i Jôsebà i Jôasy mba tsy ho hitan’i Hatalià, ka dia tsy mba voavono ho faty. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara11 Kanefa i Jôsebà, zanakavavin’i Jôrama mpanjaka, dia naka an’i Jôasy zanakalahin’i Ahazià ka namonjy azy teo anivon’ireo rahalahiny efa novonoina; ary napetrany tao an’efitrano fandriana niaraka tamin’ny mpitaiza azy. Io Jôsebà vadin’i Jôiadà mpisorona sady zanakavavin’i Jôrama mpanjakan’i Joda io moa dia anabavin’i Ahazià; nafenin’i Jôsebà i Jôasy mba tsy ho hitan’i Hatalià, ka dia tsy mba voavono ho faty. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy11 Fa Joseba, zanakavavin’ny mpanjaka, dia naka an’i Joasy, zanak’i Ahazia, ka namonjy azy avy teo amin’ny zanaky ny mpanjaka izay novonoina, dia nampiditra azy sy ny mpitaiza azy ho ao an-trano fitehirizam-pandriana. Ary nafenin’i Joseba, zanakavavin’i Jehorama mpanjaka, vadin’i Joiada mpisorona, izy (fa anabavin’i Ahazia ravehivavy) mba tsy ho hitan’i Atalia, ka dia tsy mba voavonony izy. Jereo ny tokoMalagasy Bible11 Fa Joseba, zanakavavin'ny mpanjaka, dia naka an'i Joasy, zanak'i Ahazia, ka namonjy azy avy teo amin'ny zanaky ny mpanjaka izay novonoina, dia nampiditra azy sy ny mpitaiza azy ho ao an-trano fitehirizam-pandriana. Ary nafenin'i Joseba, zanakavavin'i Jehorama mpanjaka, vadin'i Joiada mpisorona, izy (fa anabavin'i Ahazia ravehivavy) mba tsy ho hitan'i Atalia, ka dia tsy mba voavonony izy. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache11 Fa i Joseba, zanakavavin’ny mpanjaka, dia naka an’i Joasy, zanak’i Ahazia, ka nanala azy avy teo amin’ireo zanaky ny mpanjaka izay novonoina, dia nampiditra azy sy ny mpitaiza azy ho ao amin’ny efitrano fandriana. Nafenin’i Joseba, zanakavavin’i Jehorama mpanjaka, vadin’i Joiada mpisorona, izy, fa anabavin’i Ahazia mantsy Ravehivavy, mba tsy ho hitan’i Atalia, dia tsy voavonony izy. Jereo ny toko |
Fa i Jôsabà zanaka vavin’i Jôrama mpanjaka, sy anabavin’i Okoziasa naka an’i Jôasa zanak’i Okoziasa kosa, sy nanatsoaka azy teo amin’ny zanak’andriana, izay novonoin’ny olona, ary nametraka azy mbamin’ny mpitaiza azy, tao an’efitrano fitoeram-parafara, ka voaafina tsy hitan’ny mason’i Atalia, ka tsy novonoina izy.