Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 21:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Kanefa ny TOMPO tsy te handringana ny taranak’i Davida noho ny fanekempihavanana nataony tamin’i Davida sy ny nilazany fa homeny jiro mandrakizay izy sy ny taranany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Nefa NY TOMPO tsy nety nandringana ny taranak’i Davida noho ny fanekena nataony tamin’i Davida sy ny nilazany fa homeny jiro mandrakizay izy mbamin’ny taranany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Kanefa ny TOMPO tsy te handringana ny taranak’i Davida noho ny fanekempihavanana nataony tamin’i Davida sy ny nilazany fa homeny jiro mandrakizay izy sy ny taranany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Tsy tian’i Iaveh anefa ny handringana ny taranak’i Davida noho ny fanekena nataony tamin’i Davida sy noho ny teny nataony taminy fa hanome jiro azy mbamin’ny taranany mandrakariva.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Nefa Jehovah tsy nety nandringana ny taranak’i Davida noho ny fanekena nataony tamin’i Davida sy ny nilazany fa homeny jiro mandrakizay izy mbamin’ny taranany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Nefa Jehovah tsy nety nandringana ny taranak'i Davida noho ny fanekena nataony tamin'i Davida sy ny nilazany fa homeny jiro mandrakizay izy mbamin'ny taranany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Nefa NY TOMPO tsy nety nandringana ny taranak’i Davida noho ny fanekena nataony tamin’i Davida sy ny nilazany fa homeny jiro mandrakizay izy mbamin’ny taranany.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 21:7
19 Rohy Ifampitohizana  

Fa tonga nanampy azy i Abisay zanakalahin’i Tseroià ka namely ary nahafaty an’ilay Filistinina. Tamin’izay ireo olon’i Davida dia nianiana taminy hoe: «Tsy hiara-miainga aminay intsony ianao ho amin’ny ady, mba tsy hamonoanao ho faty ny fahazavan’i Israely.»


Toy izany indrindra ny fianakaviako eo anoloan’Andriamanitra; fa fanekempihavanana maharitra mandrakizay no nataon’Andriamanitra tamiko, dia fanekempihavanana mirindra sy voatandro amin’ny lafiny rehetra. Ny fandresena sy ny zava-tsoa azoko dia Izy no ipoiran’ireny rehetra ireny.


Saingy tsy hoendahako aminy avokoa akory ny fanjakana manontolo, fa hamelako foko iray ihany izy noho i Davida mpanompoko ary noho i Jerosalema izay nofidiko.


Homeko foko iray ihany ny zanakalahiny mba hisy mandrakariva, ho an’i Davida mpanompoko, taranaka iray hanjaka eo anatrehako any Jerosalema izay tanàna nofidiko hampitoerako ny voninahitro.


Kanefa nomen’ny TOMPO Andriamaniny zanakalahy handimby izy mba tsy ho faty ilay fanilo tao Jerosalema ary mba hampaharitra an’i Jerosalema ho renivohitra; noho ny amin’i Davida izany,


Tsy nandringana an’i Joda anefa ny TOMPO noho ny amin’i Davida mpanompony, izay efa nampanantenainy fa ny taranany dia hanjaka mandrakizay ao Jerosalema.


Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany i Jôrama, dia nalevina tao amin’ny fasam-pianakaviany tao an-tanànan’i Davida; ary i Ahazià zanany lahy no nanjaka nandimby azy.


Kanefa i Jôsebà, zanakavavin’i Jôrama mpanjaka, dia naka an’i Jôasy zanakalahin’i Ahazià ka namonjy azy teo anivon’ireo rahalahiny efa novonoina; ary napetrany tao an’efitrano fandriana niaraka tamin’ny mpitaiza azy. Io Jôsebà vadin’i Jôiadà mpisorona sady zanakavavin’i Jôrama mpanjakan’i Joda io moa dia anabavin’i Ahazià; nafenin’i Jôsebà i Jôasy mba tsy ho hitan’i Hatalià, ka dia tsy mba voavono ho faty.


Ary ny olona rehetra vory teo dia nanao fanekempihavanana tao an-tranon’Andriamanitra ny amin’ny mpanjaka, sady nilazan’i Jôiadà hoe: –Indro i Jôasy zanakalahin’ny mpanjaka. Izy no tokony hanjaka araka ny nampanantenain’ny TOMPO ny amin’ny taranak’i Davida.


Koa ankehitriny, ry TOMPO Andriamanitr’i Israely ô, mba tanteraho hanambinana an’i Davida raiko sady mpanomponao ilay fampanantenana nataonao taminy, fony Ianao nilaza hoe: ‹Raha mitandrina fitondrantena ireo taranakao ka mizotra araka ny lalànako tahaka ny nataonao teo anatrehako, dia tsy ho diso zanakalahy amin’ireo ianao noho ny amiko, dia zanakalahy izay hanjaka handimby anao eo amin’ny sezafiandrianan’i Israely.›


Ny TOMPO efa nanao fianianana tamin’i Davida ka tsy hivadika amin’ny marina voalazany hoe: «Iray amin’ireo zanakalahinao no hataoko mpanjaka handimby anao amin’ny sezafiandriananao.


Saingy narianao sy nolavinao ilay mpanjaka voahosotrao, satria tezitra taminy Ianao.


Mpamonjy mahery ho antsika no najorony avy amin’ny taranak’i Davida mpanompony,


mba hanazava an’ireo mihitsoka amin’ny maizina sy amin’ny aloky ny fahafatesana, ary mba hitarika ny diantsika hizotra mankany amin’ny fiadanana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra