Hendry noho ny olon-drehetra izy; nihoarany i Etàna, i Ezrahita, i Hemàna, i Kakôla, i Dordà ireo zanak’i Mahôla, ary niely tamin’ny firenena rehetra manodidina ny lazany.
2Tantara 2:10 - Baiboly Katolika Dia izao no navalin’i Hirama mpanjakan’i Tira tao amin’ny taratasy nampitondrainy an’i Salômôna: «Noho ny fitiavan’i Iaveh ny vahoakany no nananganany anao ho mpanjakany.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy i Hirama, mpanjakan’i Tiro, tamin’ny taratasy izay nampanateriny ho any amin’i Solomona: Noho ny fitiavan’NY TOMPO ny olony no nanendreny anao ho mpanjakany. DIEM PROTESTANTA Dia hoy i Hirama, mpanjakan’i Tiro, tamin’ny taratasy nalefany ho an’i Salômôna: «Fitiavan’ny TOMPO ny vahoakany no nanendreny anao ho mpanjakany.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy i Hirama, mpanjakan’i Tiro, tamin’ny taratasy nalefany ho an’i Salômôna: «Fitiavan’ny TOMPO ny vahoakany no nanendreny anao ho mpanjakany.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Hirama, mpanjakan’i Tyro, tamin’ny taratsay izay nampanateriny ho any amin’i Solomona: Noho ny fitiavan’i Jehovah ny olony no nanendreny anao ho mpanjakany. Malagasy Bible Ary hoy Hirama, mpanjakan'i Tyro, tamin'ny taratasy izay nampanateriny ho any amin'i Solomona: Noho ny fitiavan'i Jehovah ny olony no nanendreny anao ho mpanjakany. La Bible en Malgache Ary hoy i Hirama, mpanjakan’i Tiro, tamin’ny taratasy izay nampanateriny ho any amin’i Solomona: Noho ny fitiavan’NY TOMPO ny olony no nanendreny anao ho mpanjakany. |
Hendry noho ny olon-drehetra izy; nihoarany i Etàna, i Ezrahita, i Hemàna, i Kakôla, i Dordà ireo zanak’i Mahôla, ary niely tamin’ny firenena rehetra manodidina ny lazany.
Vody voampelatanana no hateviny, sahala amin’ny molo-kapoaka, manahaka ny vonin’ny lisy ny molony; rano roa arivo bata no laniny.
Dia nanao fitoeran-drano varahina folo izy, samy nahalany efapolo vata avy, efatra hakiho ny haben’ny fitoeran-drano avy, samy nitombina tamin’ny tongotra anankiray tamin’ny iray amin’ny tongotra folo.
Dia fantatr’i Davida, fa efa nampiorina azy ho mpanjaka amin’i Israely i Iaveh, satria voasandratra ny fanjakany, noho i Israely vahoakany.
«Ary dia hikapa hazo any Libàna, araka izay rehetra ilainao, izahay, sy handefa azy ambony zahatra amin’ny ranomasina hatrany Jôpe, dia ianao kosa no hampiakatra azy eo ho any Jerosalema.»
Ary indro fa izao no homeko ho sakafon’ny mpanomponao mpikapa hazo, izay hikapa ny hazo: varimbazaha 20.000 kora, orja 20.000 kora, divay 20.000 bata, diloilo 20.000 bata.
Hisaorana anie i Iaveh Andriamanitrao, izay mankasitraka anao ka nametraka anao amin’ny seza fiandrianany, ho mpanjaka ho an’i Iaveh Andriamanitrao! Noho ny fitiavan’Andriamanitrao an’i Israely, ary mba hampaharitra azy mandrakizay no nananganany anao ho mpanjaka ao aminy, mba hanao ny hitsiny sy ny rariny.»
Nomem-bola ny mpipai-bato ama-mpandrafitra: nomen-kanina amam-pisotro sy diloilo koa ny Sidonianina sy ny Tirianina, mba hitondrany ny hazo sedera avy any Libàna amin’ny ranomasina, hatreo Jôpe, araka ny fanomezan-dalana azo tamin’i Sirosa mpanjakan’i Persa.
hatramin’ny talenta volafotsy zato, varimbazaha zato kora, divay zato bata, diloilo zato bata, ary sira araka izay tiany.
Ary mitoera amin’izany trano izany, ka mihinàna sy misotroa izay misy ao, fa mendrika ny karamany ny mpiasa. Aza mifindrafindra trano.