Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 9:8 - Baiboly Katolika

8 Hisaorana anie i Iaveh Andriamanitrao, izay mankasitraka anao ka nametraka anao amin’ny seza fiandrianany, ho mpanjaka ho an’i Iaveh Andriamanitrao! Noho ny fitiavan’Andriamanitrao an’i Israely, ary mba hampaharitra azy mandrakizay no nananganany anao ho mpanjaka ao aminy, mba hanao ny hitsiny sy ny rariny.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Isaorana anie NY TOMPO Andriamanitrao izay tia anao ka nametraka anao amin’ny sezafiandrianany ho mpanjaka ho an’NY TOMPO Andriamanitrao; fa noho ny fitiavan’Andriamanitrao ny Israely hampitoetra azy mandrakizay no nanaovany anao ho mpanjakany mba hanao fitsarana sy fahamarinana.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

8 Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitrao, fa sitrany napetraka eo amin’ny sezafiandrianany ianao mba ho mpanjaka hanompo Azy TOMPO Andriamanitrao; fa ny fitiavan’Andriamanitrao an’i Israely ka hampitoetra azy mandrakizay no nanaovany anao ho mpanjaka mba hampihatra ny rariny sy ny fahamarinana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitrao, fa sitrany napetraka eo amin’ny sezafiandrianany ianao mba ho mpanjaka hanompo Azy TOMPO Andriamanitrao; fa ny fitiavan’Andriamanitrao an’i Israely ka hampitoetra azy mandrakizay no nanaovany anao ho mpanjaka mba hampihatra ny rariny sy ny fahamarinana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Isaorana anie Jehovah Andriamanitrao Izay tia anao ka nametraka anao amin’ny seza fiandrianany ho mpanjaka ho an’i Jehovah Andriamanitrao; fa noho ny fitiavan’Andriamanitrao ny Isiraely hampitoetra azy mandrakizay no nanaovany anao ho mpanjakany mba hanao fitsarana sy fahamarinana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Isaorana anie Jehovah Andriamanitrao Izay tia anao ka nametraka anao amin'ny seza fiandrianany ho mpanjaka ho an'i Jehovah Andriamanitrao; fa noho ny fitiavan'Andriamanitrao ny Isiraely hampitoetra azy mandrakizay no nanaovany anao ho mpanjakany mba hanao fitsarana sy fahamarinana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Isaorana anie NY TOMPO Andriamanitrao izay tia anao ka nametraka anao amin’ny sezafiandrianany ho mpanjaka ho an’NY TOMPO Andriamanitrao; fa noho ny fitiavan’Andriamanitrao ny Israely hampitoetra azy mandrakizay no nanaovany anao ho mpanjakany mba hanao fitsarana sy fahamarinana.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 9:8
31 Rohy Ifampitohizana  

Ny Andriamanitr’i Israely niteny, ny Vatolampin’i Israely niteny: Olo-marina mpanapaka ny olombelona izay manapaka amim-pahatahorana an’Andriamanitra,


Nanjaka tamin’i Israely rehetra i Davida, ary nitondra ny vahoakany rehetra araka ny rariny sy ny fahamarinana.


Hankalazaina anie i Iaveh Andriamanitrao, izay mankasitraka anao, ka nametraka anao eo amin’ny seza fiandrianan’i Israely. Fa fitiavany mandrakizay an’i Israely no nametrahan’i Iaveh anao ho mpanjaka, mba hanome rariny ny olona sy hitsara azy marina.»


Nandre ny fitsarana navoakan’ny mpanjaka i Israely rehetra, ka natahotra ny mpanjaka ny olona, satria hitany fa misy fahendren’Andriamanitra ao aminy, mba hitsarany marina.


Fa nataonao vahoakanao mandrakizay i Israely vahoakanao, ka Ianao Iaveh no tonga Andriamaniny.


Tamin’ny zanako rehetra kosa, - fa nomen’i Iaveh zanaka maro aho, - i Salômôna zanako no nofidiny, mba hampipetraka azy amin’ny seza fiandrianan’ny fanjakan’i Iaveh amin’i Israely.


Dia nisaotra an’i Iaveh teo anatrehan’ny fiangonana rehetra i Davida, ka hoy i Davida: «Hisaorana mandrakizay mandrakizay anie Ianao, ry Iaveh, Andriamanitr’i Israely rainay.


Ny fiangonana rehetra koa nilazan’i Davida hoe: «Samia ianareo misaotra an’i Iaveh Andriamanitrareo.» Ka dia nisaotra an’i Iaveh Andriamanitry ny razany, ny fiangonana rehetra, sady niondrika izy ireo, sy niankohoka teo anatrehan’i Iaveh sy teo anatrehan’ny mpanjaka.


Nipetraka teo amin’ny seza fiandrianan’i Iaveh i Salômôna, ho mpanjaka dimbin’i Davida rainy, sady nambinina izy ary nankatoavin’i Israely rehetra.


Ary ianareo ankehitriny mba matoky hahery eo anatrehan’ny fanjakan’i Iaveh izay eo an-tanan’ny taranak’i Davida; sady vahoaka maro be ianareo, ary miaraka aminareo ny zanak’omby volamena nataon’i Jerôbôama ho andriamanitrareo.


Dia izao no navalin’i Hirama mpanjakan’i Tira tao amin’ny taratasy nampitondrainy an’i Salômôna: «Noho ny fitiavan’i Iaveh ny vahoakany no nananganany anao ho mpanjakany.»


Ary hoy i Hirama: Hisaorana anie i Iaveh Andriamanitr’i Israely izay nanao ny lanitra sy ny tany, noho ny nanomezany an’i Davida zanaka hendry, malina, mazava saina, izay hanao trano ho an’i Iaveh ary trano-mpanjaka ho an’ny tenany.


Sambatra ny olonao, sambatra ny mpanomponao, izay manoloana anao lalandava sy mandre ny fahendrenao!


Talenta volamena valopolo amby zato sy zava-manitra sesehena, ary vato soa no nomeny ny mpanjaka. Tsy nisy zava-manitra be sahala amin’izany nomen’ny mpanjakavavin’i Sabà an’i Salômôna izany intsony.


Nosovohin’ireny aho tamin’ny andron’ny fahoriako, fa i Iaveh kosa no mpanohana ahy tamin’izay.


Izay rehetra mahita ahy, manaraby ahy avokoa; misoka-molotra izy ary mihifikifi-doha:


Aoka hitondra ny vahoakanao, araka ny rariny, sy ny mahantranao, araka ny hitsiny!


Hoderaina anie ny herin’ny Mpanjaka, izay tia ny rariny. Manamafy ny fahitsiana Ianao, mitsara araka ny rariny sy ny hitsiny eo amin’i Jakôba Ianao.


Ny manaraka ny rariny sy ny hitsiny, no tsara eo imason’i Iaveh mihoatra noho ny sorona.


Ny mpanjaka mampiorina mafy ny taniny amin’ny fahamarinana, fa izay tia kolikoly kosa, mandrava azy.


Indro ny mpanompoko izay tantanako; ilay voafidiko ka sitraky ny foko; napetrako ao aminy ny fanahiko; hamoaka fahamarinana ho an’ny firenena izy.


Tsy hisy intsony hanao anao hoe «i Nafoy»; ary tsy hisy intsony hiantso ny taninao hoe «i Faharinganana.» Fa ny hiantsoana anao dia hoe «I Ankasitrahiko»; ary ny taninao «i Vady ampakarina». Satria i Iaveh hankasitraka anao; ary ny taninao hahazo vady.


Nandefa teny ho an’i Jakôba, ny Tompo, ary mihatra amin’i Israely izany;


fa noho ny fitiavany anareo, sy noho ny fankatoavany ny fianianana nataony tamin’ny razanareo, dia nentin’i Iaveh nivoaka, tamin’ny tanana mahery, sy navotany tamin’ny trano fanandevozana ianareo, dia tamin’ny tanan’i Faraôna mpanjakan’i Ejipta.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra