Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 18:22 - Baiboly Katolika

Koa indro i Iaveh nanisy fanahy mandainga eo am-bavan’ireo mpaminany izay eto ireo. Ary i Iaveh efa nanonona loza hanjò anao.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Koa indro, ankehitriny NY TOMPO efa nanisy fanahy mandainga ao am-bavan’ireto mpaminaninao ireto ary Izy no efa nilaza ny loza hanjo anao.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ankehitriny, indro ny TOMPO efa nanisy fanahy mandainga ao am-bavan’ireto mpaminaninao ireto, dia satria IZY mihitsy no efa nilaza ny loza hanjo anao.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ankehitriny, indro ny TOMPO efa nanisy fanahy mandainga ao am-bavan’ireto mpaminaninao ireto, dia satria IZY mihitsy no efa nilaza ny loza hanjo anao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Koa, indro, Jehovah efa nanisy fanahy mandainga ao am-bavan’ireto mpaminaninao ireto, ary Izy koa efa nilaza ny loza hanjo anao.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Koa, indro, Jehovah efa nanisy fanahy mandainga ao am-bavan'ireto mpaminaninao ireto, ary Izy koa efa nilaza ny loza hanjo anao.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Koa indro, ankehitriny NY TOMPO efa nanisy fanahy mandainga ao am-bavan’ireto mpaminaninao ireto ary Izy no efa nilaza ny loza hanjo anao.

Jereo ny toko



2Tantara 18:22
18 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy ny mpanjakan’i Israely tamin’i Jôsafata: «Tsy efa voalazako taminao va, fa tsy mba milaza soa ho ahy io, fa ny loza ihany!»


Ary hoy ny navaliny: Hivoaka aho ka ho tonga fanahy mandainga eo am-bavan’ny mpaminany rehetra. Dia hoy i Iaveh taminy: Hanambaka azy tokoa ianao ary ho efanao tokoa izany. Koa mivoaha àry, ataovy izany.


Ka hoy ny navalin’ny mpanjakan’i Israely an’i Jôsafata: «Mbola misy olona iray azontsika anontaniana an’i Iaveh, saingy halako izay, satria tsy mba maminany soa ho ahy, fa izao loza lava izao ihany, dia i Mikea zanak’i Jemlà.» Dia hoy i Jôsafata: «Aoka tsy hanao izany intsony ny mpanjaka.»


«Ny tsilo any Libàna, naniraka hilaza amin’ny sedera any Libàna hoe: Omeo ho vadin’ny zanako lahy ny zanakao vavy. Dia namaky teo ny biby dia any Libàna, ka nanosihosy ny tsilo.


Azy ny faherezana amam-pahamalinana, Azy ny maniasia sy ny mampaniasia.


Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Eny am-pandehanana hiverina ho any Ejipta, diniho an-tsaina ireo fahagagana rehetra napetrako eo am-pelatananao ireo; hataonao eo anatrehan’i Faraôna ireo. Fa Izaho kosa hanamafy ny fony, ka tsy havelany handeha ny vahoaka.


Norotsahan’i Iaveh fanahy mampandraingiraingy izy, ka ataony mandraingiraingy i Ejipta amin’ny ataony rehetra, mova tsy ny olona mamo mandraingiraingy eo am-pandoavany!


Loza ho an’ny ratsy fanahy! fa hidiran-doza izy, fa haverina aminy ny nataon’ny tanany.


Ary amin’izao, mitenena amin’ny olona any Jodà, sy amin’ny mponina ao Jerosalema, manao hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Indro Aho mamorona loza hanjò anareo, sy mieritra izay hevitra hamelezana anareo. Koa samia ianareo miala amin’ny lalany ratsy, sy manitsy ny lalanareo aman’asanareo avy.


Ary raha mety ho voasodoka ny mpaminany, ka manonona teny sasantsasany, dia Izaho Iaveh no ho nanodòka an’izany mpaminany izany; ary haninjitra ny tanako aminy Aho, ary hofongorako eo amin’ny vahoakako Israely izy.


Ka izao no lazain’i Iaveh: Indro fa misy loza saintsainiko hamelezana ity taranaka ity, ka tsy ho azonareo anafahana ny vozonareo: ka tsy handeha miandranandrana intsony ianareo, fa ho andro ratsy izany.