Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




2Tantara 18:22 - DIEM PROTESTANTA

22 Ankehitriny, indro ny TOMPO efa nanisy fanahy mandainga ao am-bavan’ireto mpaminaninao ireto, dia satria IZY mihitsy no efa nilaza ny loza hanjo anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Koa indro, ankehitriny NY TOMPO efa nanisy fanahy mandainga ao am-bavan’ireto mpaminaninao ireto ary Izy no efa nilaza ny loza hanjo anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 Ankehitriny, indro ny TOMPO efa nanisy fanahy mandainga ao am-bavan’ireto mpaminaninao ireto, dia satria IZY mihitsy no efa nilaza ny loza hanjo anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

22 Koa indro i Iaveh nanisy fanahy mandainga eo am-bavan’ireo mpaminany izay eto ireo. Ary i Iaveh efa nanonona loza hanjò anao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Koa, indro, Jehovah efa nanisy fanahy mandainga ao am-bavan’ireto mpaminaninao ireto, ary Izy koa efa nilaza ny loza hanjo anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Koa, indro, Jehovah efa nanisy fanahy mandainga ao am-bavan'ireto mpaminaninao ireto, ary Izy koa efa nilaza ny loza hanjo anao.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 18:22
18 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy ny mpanjakan’i Israely tamin’i Jôsafata: –Tsy efa voalazako taminao va fa tsy mba mety maminany soa ho ahy izy, fa loza ihany?


Dia hoy izy: «Handeha aho ka ho tonga fanahy mandainga ao am-bavan’ireo mpaminanin’i Ahaba rehetra.» Ary hoy indray ny Tompo: «Ho voataonanao tokoa izy, sady zavatra manavanana anao izany; ndeha àry ka ataovy.»


Dia novalian’ny mpanjakan’i Israely hoe: –Mbola misy lehilahy iray ahazoantsika manontany ny TOMPO ao; saingy halako izy, satria tsy mbola naminany soa ho ahy fa loza mandrakariva. Mikaià, zanakalahin’i Jimlà, no anarany. Ka hoy i Jôsafata: –Aza dia miteny toy izany re ianao, ry mpanjaka!


Fa i Jôasy mpanjakan’i Israely dia nandefa iraka tany amin’i Amatsià mpanjakan’i Joda hamaly azy hoe: «Ny kirihitra tsilo izay tany Libano, hono, dia nandefa iraka tany amin’ny sedera izay tany Libano mba hiangavy azy hoe: ‹Omeo ho vadin’ny zanako lahy ny zanakao vavy.› Kanjo nisy bibidian’i Libano namaky teo ka nanosihosy ny kirihitra tsilo.


Ao aminy ny hery sy ny fahakingana; samy Azy na ny voafitaka na ny mpamitaka.


Hoy indray ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Diniho fa efa nataoko eo am-pelatananao ireo zava-mahagaga isan-karazany. Koa rehefa tafaverina any Ejipta ianao, dia ataovy eo anatrehan’ny Farao ireny; Izaho kosa hanamafy ny fony ka tsy handefa ny Israelita izy.


Fa nandatsahan’ny TOMPO fanahy mampivembena izy, ka dia nampivembena an’i Ejipta hatrany eo amin’ny asa rehetra ataon’io firenena io, izay tahaka ny mamo mivembena sady mandoa.


Lozan’ny ratsy fanahy kosa fa hiharam-pahavoazana izy, satria araka izay nataony ihany no zavatra hafitsoka aminy!


«Ankehitriny, ry Jeremià, mitenena amin’ny olon’i Joda sy ny mponin’i Jerosalema, ka ambarao aminy hoe: ‹Izao no lazain’ny TOMPO: Indro efa namolavola loza hamelezana anareo Aho, ary eo am-panomanana ny tetika hampiharana izany. Koa samia miala amin’ny fitondrantena ratsy avy ianareo ary ovay ho tsara ny fitondrantenanareo sy ny asanareo.› »


«Raha misy mpaminany voataona hamaly araka ny tenany ihany, dia Izaho TOMPO no efa nampanao azy izany; ary hanamparako ny heriko izy ka hoesoriko tsy ho eo amin’i Israely vahoakako.


Koa izao no lazain’ny TOMPO: «Indro Aho manomana loza hamelezana ny karazan’olona toa anareo; tsy ho azonareo ialana io loza io, ka tsy handeha miandranandrana ianareo satria andron’ny loza izany.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra