Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 18:23 - Baiboly Katolika

23 Nanatona kosa i Sedesiasa zanak’i Kanaana, ka namely ny takolak’i Mikea nanao hoe: «Taiza no lalana nialan’ny fanahin’i Iaveh tamiko, hiteny aminao?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

23 Fa nanatona i Zedekia, zanak’i Kenana, dia namely ny takolak’i Mikaia sady niteny hoe: Taiza no lalana nialan’ny Fanahin’NY TOMPO tamiko mba hiteny aminao?

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

23 Tamin’izay dia nanatona an’i Mikaià i Tsedekià zanakalahin’i Kenahanà, ka namely tehamaina azy sady nanao hoe: –Niala tamiko ve ny Fanahin’ny TOMPO hiteny aminao?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

23 Tamin’izay dia nanatona an’i Mikaià i Tsedekià zanakalahin’i Kenahanà, ka namely tehamaina azy sady nanao hoe: –Niala tamiko ve ny Fanahin’ny TOMPO hiteny aminao?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

23 Fa Zedekia, zanak’i Kenana, nanatona, dia namely ny takolak’i Mikaia sady nanao hoe: Taiza no làlana nialan’ny Fanahin’i Jehovah tamiko hiteny aminao?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

23 Fa Zedekia, zanak'i Kenana, nanatona, dia namely ny takolak'i Mikaia sady nanao hoe: Taiza no lalana nialan'ny Fanahin'i Jehovah tamiko hiteny aminao?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

23 Fa nanatona i Zedekia, zanak’i Kenana, dia namely ny takolak’i Mikaia sady niteny hoe: Taiza no lalana nialan’ny Fanahin’NY TOMPO tamiko mba hiteny aminao?

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 18:23
13 Rohy Ifampitohizana  

I Sedesiasa zanak’i Kanaana, nanao tandro-by ho azy, ka nilaza hoe: «Izao no lazain’i Iaveh: Hototoinao amin’ireto tandroka ireto ny Sirianina, mandra-paharingany.»


Dia namaly i Mikea hoe: «Ho hitanao izany amin’ny andro handehandehananao isan’efitrano hierenao.»


Ary nikapoka an’i Jeremia mpaminany i Fasora, nampamatotra azy amin’ny boloky hazo, tao amin’ny vavahady Avon’i Benjamina izay ao amin’ny tranon’i Iaveh.


Aoka hanolotra ny takolany amin’izay mamely azy izy; aoka hivoky latsa izy!


Ary ianao, ry Betleema Efratà, kely tsy tokony ho isan’ireo arivon’i Jodà akory, avy aminao no hivoaka ho Ahy ilay tsy maintsy ho Mpanapaka amin’i Israely, ary ny niandohany dia efa hatramin’ny andro fahagola, hatramin’ny andro mandrakizay.


ka ny sasany nandrora Azy, dia nanarona ny Tavany, sy namely totohondry Azy ary nanao hoe: «Vinanio»; ny mpanompo avy no namely tehamaina Azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra