Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 17:16 - Baiboly Katolika

Ary teo anilany i Amasiasa zanak’i Zekri, izay nanokan-tena an-tsitrapo ho an’i Iaveh sy lehilahy mahery 200.000 niaraka taminy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

teo anilany indray dia i Amasia, zanak’i Zikry, ilay nanolo-tena ho an’NY TOMPO ary lehilahy mahery roa hetsy no niaraka taminy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

ary nanarakaraka azy indray dia i Hamasià, zanakalahin’i Zikry sady nanolo-tena an-tsitrapo ho an’ny TOMPO, mpifehy lehilahy maherifo nisy andiany roanjato.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

ary nanarakaraka azy indray dia i Hamasià, zanakalahin’i Zikry sady nanolo-tena an-tsitrapo ho an’ny TOMPO, mpifehy lehilahy maherifo nisy andiany roanjato.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ary nanarakaraka azy indray dia Amasia, zanak’i Zikry, ilay nanolo-tena ho an’i Jehovah, ary ny fehiny dia lehilahy mahery roa hetsy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ary nanarakaraka azy indray dia Amasia, zanak'i Zikry, ilay nanolotena ho an'i Jehovah, ary ny fehiny dia lehilahy mahery roa hetsy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

teo anilany indray dia i Amasia, zanak’i Zikry, ilay nanolo-tena ho an’NY TOMPO ary lehilahy mahery roa hetsy no niaraka taminy.

Jereo ny toko



2Tantara 17:16
10 Rohy Ifampitohizana  

Fa zinona moa aho, ary zinona ny vahoakako no hanam-pahefana sy hery mba hanao an-tsitrapo fanatitra toy izao? Ianao no iavian’ny zavatra rehetra, ary ny noraisinay avy teo an-tananao ihany no natolotray Anao.


Fantatro, ry Andriamanitra ô, fa mandinika ny fo Ianao, ary tia ny hitsim-po, ka an-tsitrapo no nanaovako izao fanatitra rehetra izao amin’ny fahitsian’ny foko; ary amin-kafaliana koa ankehitriny no ahitako ny vahoakako etoana, samy manolotra an-tsitrapo ny fanatiny ho Anao.


Nahafaly ny vahoaka ny fanatiny an-tsitrapo, satria tamim-po mazava no nanaovany an’izany fanatitra izany ho an’i Iaveh. I Davida mpanjaka koa faly dia faly tamin’izany.


teo anilany i Johanàna mpifehy ny lehilahy 280.000 niaraka taminy.


Ny tamin’i Benjamina dia i Elida lehilahy mahery, sy lehilahy nitondra tsipìka aman’ampinga 200.000 niaraka taminy;


Midodododo aminao ny vahoakanao amin’ny andro hamorianao ny tafikao, mitondra ny fanamiana masina: avy ao ampofoan’ny mazava atsinanana, dia mankao aminao ny ranonandon’ny mpiadinao tanora.


Fa rehefa eo ny fahazotoana hanao, dia araka izay ananana ihany, fa tsy araka izay tsy ananana, no ankasitrahana izay atao.


«Nitsangana hitarika ny lehibe ao amin’i Israely; ny vahoaka nanolo-tena an-tsitrapo hiady; ka misaora an’i Iaveh amin’izany ianareo!


Miantoraka amin’ny mpitondra an’i Israely ny foko sy amin’ny vahoaka anisan’ny nanolo-tena: Misaora an’i Iaveh!