2Tantara 17:16 - DIEM PROTESTANTA16 ary nanarakaraka azy indray dia i Hamasià, zanakalahin’i Zikry sady nanolo-tena an-tsitrapo ho an’ny TOMPO, mpifehy lehilahy maherifo nisy andiany roanjato. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201116 teo anilany indray dia i Amasia, zanak’i Zikry, ilay nanolo-tena ho an’NY TOMPO ary lehilahy mahery roa hetsy no niaraka taminy. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara16 ary nanarakaraka azy indray dia i Hamasià, zanakalahin’i Zikry sady nanolo-tena an-tsitrapo ho an’ny TOMPO, mpifehy lehilahy maherifo nisy andiany roanjato. Jereo ny tokoBaiboly Katolika16 Ary teo anilany i Amasiasa zanak’i Zekri, izay nanokan-tena an-tsitrapo ho an’i Iaveh sy lehilahy mahery 200.000 niaraka taminy. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy16 ary nanarakaraka azy indray dia Amasia, zanak’i Zikry, ilay nanolo-tena ho an’i Jehovah, ary ny fehiny dia lehilahy mahery roa hetsy. Jereo ny tokoMalagasy Bible16 ary nanarakaraka azy indray dia Amasia, zanak'i Zikry, ilay nanolotena ho an'i Jehovah, ary ny fehiny dia lehilahy mahery roa hetsy. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache16 teo anilany indray dia i Amasia, zanak’i Zikry, ilay nanolo-tena ho an’NY TOMPO ary lehilahy mahery roa hetsy no niaraka taminy. Jereo ny toko |
Fantatro, ry Andriamanitro ô, fa mandinika ny ao am-pon’ny olona Ianao ary mankasitraka ny hitsim-po. Raha izaho, dia tamin-kitsim-po no nanolorako an-tsitrapo ireo fanomezana rehetra ireo; ary ankehitriny, dia amin-kafaliana no ahitako ny vahoakanao izay vory eto, nanolotra an-tsitrapo ny fanomezany ho Anao.