Dia nankany Gabaôna i Salômôna hanao sorona, fa tany no fitoerana avo malaza. Sorona dorana arivo no nateriny teo ambonin’io ôtely io
2Tantara 1:6 - Baiboly Katolika Dia tao ihany, teo ambonin’ilay ôtely varahina, teo anoloan’i Iaveh, akaikin’ny trano lay fihaonana, no nanoloran’i Salômôna sorona dorana arivo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nanolotra fanatitra teo anatrehan’NY TOMPO teo amin’ny alitara varahina, izay momba ny tranolay fihaonana, i Solomona; fanatitra dorana manontolo arivo no nateriny teo. DIEM PROTESTANTA Dia nandroso teo anatrehan’ny TOMPO i Salômôna ka nanolotra sorona dorana manontolo arivo teo ambonin’ny alitara halimo akaikin’ny Tranolay fihaonana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nandroso teo anatrehan’ny TOMPO i Salômôna ka nanolotra sorona dorana manontolo arivo teo ambonin’ny alitara halimo akaikin’ny Tranolay fihaonana. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Solomona nanatitra fanatitra teo amin’ny alitara varahina teo anatrehan’i Jehovah, izay momba ny trano-lay fihaonana; fanatitra dorana arivo no nateriny teo. Malagasy Bible Ary Solomona nanatitra fanatitra teo amin'ny alitara varahina teo anatrehan'i Jehovah, izay momba ny trano-lay fihaonana; fanatitra dorana arivo no nateriny teo. La Bible en Malgache Nanolotra fanatitra teo anatrehan’NY TOMPO teo amin’ny alitara varahina, izay momba ny tranolay fihaonana, i Solomona; fanatitra dorana manontolo arivo no nateriny teo. |
Dia nankany Gabaôna i Salômôna hanao sorona, fa tany no fitoerana avo malaza. Sorona dorana arivo no nateriny teo ambonin’io ôtely io
Ary i Salômôna mpanjaka sy ny fiangonan’i Israely rehetra izay nantsoiny ho eo aminy, dia niaraka taminy teo anoloan’ny Fiara. Ondry sy omby tsy hita isa sy tsy tambo isaina noho ny hamaroany no novonoiny ho sorona.
Namono omby 22.000 ary ondry 120.000 i Salômôna hatao sorom-pihavanana nateriny tamin’i Iaveh. Toy izany no nitokanan’ny mpanjaka sy ny zanak’i Israely rehetra ny tranon’i Iaveh.
Ny ampitson’izany andro izany, dia namono zavatra natao sorona ho an’i Iaveh izy ireo, sy nanolotra sorona dorana ho an’i Iaveh: ombalahy arivo, ondralahy arivo, ary zanak’ondry arivo, mbamin’ny fanatitra araraka fanao, ary sorona hafa be dia be, ho an’i Israely rehetra.
Tamin’izany i Salômôna dia nanatitra sorona dorana ho an’i Iaveh teo ambonin’ny ôtelin’i Iaveh izay naorina teo anoloan’ny fidirana.