Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 1:4 - Baiboly Katolika

ny fiaran’Andriamanitra kosa efa nafindran’i Davida, avy any Kariatiarima ho any amin’ny fitoerana namboariny ho azy; satria efa nanangan-day ho azy tany Jerosalema izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa ny vata misy ny faneken’Andriamanitra dia efa nampiakarin’i Davida avy tany Kiriata-Jearima ho ao amin’izay efa namboariny ho azy; satria efa nanorina tranolay ho azy tany Jerosalema izy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ny Vatamasin’Andriamanitra moa dia efa nampakarin’i Davida avy tany Kiriata-Jeharîma ho ao amin’ny toerana izay nomaniny hasiana azy; fa efa nanangana lay ho azy tao Jerosalema izy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny Vatamasin’Andriamanitra moa dia efa nampakarin’i Davida avy tany Kiriata-Jeharîma ho ao amin’ny toerana izay nomaniny hasiana azy; fa efa nanangana lay ho azy tao Jerosalema izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa ny fiaran’Andriamanitra efa nampakarin’i Davida avy tany Kiriata-jearima ho ao amin’izay efa namboariny ho azy; fa efa nanorina lay ho azy tany Jerosalema izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa fiaran'Andriamanitra efa nampakarin'i Davida avy ta Kiriata-jearima ho ao amin'izay efa namboariny ho azy; fa efa nanorina lay ho azy tany Jerosalema izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa ny vata misy ny faneken’Andriamanitra dia efa nampiakarin’i Davida avy tany Kiriata-Jearima ho ao amin’izay efa namboariny ho azy; satria efa nanorina tranolay ho azy tany Jerosalema izy.

Jereo ny toko



2Tantara 1:4
12 Rohy Ifampitohizana  

Nony tafiditra ny Fiaran’i Iaveh ka efa voapetraka tamin’ny fitoerany tao afovoan’ny lay nasain’i Davida natsangana ho azy, dia nanatitra sorona dorana sy sorom-pisaorana teo anatrehan’i Iaveh i Davida.


Dia nitsangana i Davida ka niainga izy narahin’ny vahoaka rehetra izay tafavory manodidina azy, ka nankany Baala-Jodà mba hampiakatra avy any ny Fiaran’Andriamanitra izay fiantsoana ilay Anarana, ny Anaran’i Iavehn’ny tafika, izay mipetraka eo ambonin’ny Kerobima.


Ary i Davida nanao trano ho azy tao an-tanànan’i Davida, dia nanomana fitoerana ho an’ny fiaran’Andriamanitra, ka nanorin-day ho azy.


Ka hoy izy tamin’ireo: «Ianareo, loha fianakavian’ny Levita, hamasino ny tenanareo, dia ianareo sy ny rahalahinareo, ka ampiakaro ny fiaran’i Iaveh Andriamanitr’i Israely ho eo amin’ny fitoerana nomaniko ho azy.


Dia novorin’i Davida tao Jerosalema i Israely rehetra hampiakatra ny Fiaran’i Iaveh ho ao amin’ny fitoerany, izay efa nomaniny ho azy.


Nony efa voampiditra ny fiaran’Andriamanitra sy efa napetraka tao afovoan’ny lay naorin’i Davida ho azy, dia nanatitra sorona dorana sy sorom-pihavanana teo anatrehan’Andriamanitra ny olona.


Tamin’izay dia novorin’i Salômôna tany Jerosalema ny loholon’i Israely sy ny lohan’ny isam-poko rehetra, ary ny loham-pianakavian’ny zanak’i Israely, hamindra ny fiaran’ny faneken’i Iaveh avy amin’ny tanànan’i Davida, izany hoe any Siôna.


Ary nanao trano aho, ka ho fonenanao izy, ary toerana mba hitoeranao mandrakizay.»


Koa niainga ny zanak’i Israely dia tonga tany an-tanànan’izy ireo nony afaka hateloana; ny tanànany dia i Gabaôna, i Kafira, i Berôta ary i Kariatiarima.