Samy nitady hahita an’i Salômôna avokoa ny olona rehetra mba hihaino ny fahendrena nataon’Andriamanitra ao am-pony.
2Tantara 1:11 - Baiboly Katolika Ary hoy Andriamanitra tamin’i Salômôna: «Satria izany no ao am-ponao, fa tsy vola aman-karena no nangatahinao, na voninahitra, na ny ain’ny fahavalonao, ary tsy nangatahinao ny ho lava fiainana aza, fa ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina no nangatahinao ho anao, hitsaranao ny vahoakako izay nananganako anao ho mpanjaka; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy Andriamanitra tamin’i Solomona: Satria izany no tao am-ponao ka tsy nangataka vola aman-karena ianao, na voninahitra, na ny ain’ny fahavalonao, ary tsy nangataka ny ho ela velona aza fa nangataka fahendrena sy fahalalana hitsaranao ny oloko izay nampanjakako anao, DIEM PROTESTANTA Dia hoy Andriamanitra tamin’i Salômôna: –Satria izany no tao am-ponao fa tsy nangataka vola aman-karena na voninahitra na ny hahafaty ireo fahavalonao ianao, ary tsy nangataka ny ho ela velona aza fa fahendrena sy fahaiza-manavaka hifehezana ny vahoakako izay nananganako anao ho mpanjaka; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy Andriamanitra tamin’i Salômôna: –Satria izany no tao am-ponao fa tsy nangataka vola aman-karena na voninahitra na ny hahafaty ireo fahavalonao ianao, ary tsy nangataka ny ho ela velona aza fa fahendrena sy fahaiza-manavaka hifehezana ny vahoakako izay nananganako anao ho mpanjaka; Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy Andriamanitra tamin’i Solomona: Satria tao am-ponao izany, ka tsy nangataka vola aman-karena hianao, na voninahitra, na ny ain’ny fahavalonao, ary tsy nangataka ny ho ela velona aza, fa nangataka fahendrena sy fahalalana hitsaranao ny oloko izay nampanjakako anao, Malagasy Bible Dia hoy Andriamanitra tamin'i Solomona: Satria tao am-ponao izany ka tsy nangataka vola aman-karena ianao, na voninahitra, na ain'ny fahavalonao, ary tsy nangataka ho ela velona aza, fa nangataka fahendrena sy fahalalana hitsaranao ny oloko izay nampanjakako anao, La Bible en Malgache Dia hoy Andriamanitra tamin’i Solomona: Satria izany no tao am-ponao ka tsy nangataka vola aman-karena ianao, na voninahitra, na ny ain’ny fahavalonao, ary tsy nangataka ny ho ela velona aza fa nangataka fahendrena sy fahalalana hitsaranao ny oloko izay nampanjakako anao, |
Samy nitady hahita an’i Salômôna avokoa ny olona rehetra mba hihaino ny fahendrena nataon’Andriamanitra ao am-pony.
Nandre ny fitsarana navoakan’ny mpanjaka i Israely rehetra, ka natahotra ny mpanjaka ny olona, satria hitany fa misy fahendren’Andriamanitra ao aminy, mba hitsarany marina.
kanefa hoy i Iaveh tamin’i Davida raiko: Rehefa nanan-kevitra hanao trano ho an’ny Anarako ianao, dia tsara ny nanaovanao izany hevitra izany.
Dia nitsangana i Davida mpanjaka ka nanao hoe: «Mihainoa ahy, ry rahalahiko amam-bahoakako! Izaho efa nikendry ny hanao trano fitsaharana ho an’ny fiaran’ny Faneken’i Iaveh sy ho fandiavan-tongotry ny Andriamanitsika, sady namonona no ho enti-manao izany.
koa omeko anao ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina. Homeko anao ny vola aman-karena mbamin’ny voninahitra; ny mpanjaka talohanao tsy nisy nanana toy izany; ny any aoriana tsy hisy hanana toy izany.»
fa izy akory tsy tsara noho ny hevitra ao am-pony; Mihinàna, misotroa, hoy izy aminao, kanjo ny fony tsy momba anao akory.
Fony mbola tsy namidy izy, moa tsy anao va? Ary nony efa namidy indray, moa tsy anao koa va ny vidiny? Ka ahoana no dia nahavitanao hevitra toy izao? Tsy olombelona no nandainganao, fa Andriamanitra.»
Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, ka maranitra noho ny sabatra roa lela, maninteraka ny fiavahan’ny aina sy ny fanahy, ary ny famavàny sy ny tsoka aza; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo.
Iza eo aminareo no hendry sy manan-tsaina? Aoka hasehony amin’ny fitondrany tena tsara ny asan’ny halemem-panahy amam-pahendreny.
Fa ny fahendrena avy any ambony kosa dia madio aloha, ary koa tia fihavanana, mandefitra, mora toroana, be indrafo amana vokatsoa, tsy miangatra, tsy mihatsaravelatsihy.
Fa hoy i Iaveh tamin’i Samoela: «Aza ny tarehiny no jerenao, na ny haavon’ny tsanganany, fa efa natanilako io. Tsy mba izay hitan’ny olombelona no izy; ny olombelona mijery ny tarehy fa i Iaveh kosa mijery ny fo».