Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 1:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Dia hoy Andriamanitra tamin’i Salômôna: –Satria izany no tao am-ponao fa tsy nangataka vola aman-karena na voninahitra na ny hahafaty ireo fahavalonao ianao, ary tsy nangataka ny ho ela velona aza fa fahendrena sy fahaiza-manavaka hifehezana ny vahoakako izay nananganako anao ho mpanjaka;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Dia hoy Andriamanitra tamin’i Solomona: Satria izany no tao am-ponao ka tsy nangataka vola aman-karena ianao, na voninahitra, na ny ain’ny fahavalonao, ary tsy nangataka ny ho ela velona aza fa nangataka fahendrena sy fahalalana hitsaranao ny oloko izay nampanjakako anao,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Dia hoy Andriamanitra tamin’i Salômôna: –Satria izany no tao am-ponao fa tsy nangataka vola aman-karena na voninahitra na ny hahafaty ireo fahavalonao ianao, ary tsy nangataka ny ho ela velona aza fa fahendrena sy fahaiza-manavaka hifehezana ny vahoakako izay nananganako anao ho mpanjaka;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Ary hoy Andriamanitra tamin’i Salômôna: «Satria izany no ao am-ponao, fa tsy vola aman-karena no nangatahinao, na voninahitra, na ny ain’ny fahavalonao, ary tsy nangatahinao ny ho lava fiainana aza, fa ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina no nangatahinao ho anao, hitsaranao ny vahoakako izay nananganako anao ho mpanjaka;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Dia hoy Andriamanitra tamin’i Solomona: Satria tao am-ponao izany, ka tsy nangataka vola aman-karena hianao, na voninahitra, na ny ain’ny fahavalonao, ary tsy nangataka ny ho ela velona aza, fa nangataka fahendrena sy fahalalana hitsaranao ny oloko izay nampanjakako anao,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Dia hoy Andriamanitra tamin'i Solomona: Satria tao am-ponao izany ka tsy nangataka vola aman-karena ianao, na voninahitra, na ain'ny fahavalonao, ary tsy nangataka ho ela velona aza, fa nangataka fahendrena sy fahalalana hitsaranao ny oloko izay nampanjakako anao,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Dia hoy Andriamanitra tamin’i Solomona: Satria izany no tao am-ponao ka tsy nangataka vola aman-karena ianao, na voninahitra, na ny ain’ny fahavalonao, ary tsy nangataka ny ho ela velona aza fa nangataka fahendrena sy fahalalana hitsaranao ny oloko izay nampanjakako anao,

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 1:11
15 Rohy Ifampitohizana  

Olona avy amin’ny tany tontolo no nitady hahita an’i Salômôna mba hihaino ny fahendrena izay nataon’Andriamanitra tao am-pony.


Ren’ny Israelita rehetra izany fitsarana nataon’ny mpanjaka izany; ka dia nanaja azy ny olona, satria nahatsapa fa misy fahendren’Andriamanitra ao aminy hoentiny mitsara.


Kanefa dia hoy ny TOMPO taminy: «Tao am-ponao ny fikasana hanorina tempoly ho voninahitro, dia tsara tokoa izany fikasanao izany;


Dia nitsangana i Davida mpanjaka, ka nanao hoe: –Henoy aho, ry havako sy mpiray firenena amiko! Raha izaho, dia efa fikasàko ny hanorina tempoly hipetrahan’ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO, izany hoe ilay fitoeran-tongotry ny Andriamanitsika; ary efa novononiko izay hoenti-manorina azy.


koa dia omena anao ny fahendrena sy ny fahaiza-manavaka. Ary homeko vola aman-karena koa ianao, mihoatra noho izay nananan’ireo mpanjaka hafa rehetra tany alohanao, ary tsy hisy hanana toy izany ny any aorianao.


Mitandrim-pitondrantena ny malina satria hendry; Verin’ny hadalany kosa ny olona adala.


fa samy hafa ny am-pony sy ny voalazany. Hoy izy aminao: «Mihinàna, misotroa»; nefa ny fony tsy miandany aminao akory.


amin’ny alalako no anjakan’ny mpanjaka, sy ahazoan’ny mpitondra manao didy ara-drariny;


Anao ange ny tany fony mbola tsy namidy, sady rehefa namidy dia eo am-pelatananao ny vola vidiny! Ka ahoana no dia nampisy tao am-ponao izao zavatra vitanao izao? Tsy olombelona no nandainganao, fa Andriamanitra.


Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, sady maranitra noho ny sabatra roa lela ka maninteraka hatrany amin’ny fihaonan’ny aina sy ny fanahy ary hatrany amin’ny fihaonan’ny famavàny sy ny tsoka; hainy tsaraina ny eritreritra amam-pisainan’ny fon’ny olona.


Misy hendry sy manan-tsaina ve aminareo? Aoka hasehony amin’ny fitondrantena tsara fa ny halemem-panahy, vokatry ny fahendrena, no manenika ny asa ataony.


Fa ny fahendrena avy any ambony dia voalohany indrindra madio, ary koa tia fihavanana, mandefitra, mora ifampiraharahana, be famindrampo sady mahavokatra asa soa, tsy miangatra, tsy mihatsaravelatsihy.


Nefa hoy ny TOMPO taminy: «Aza sodokan’ny tarehiny sy ny tsanganany ianao, fa tsy nifidy azy Aho akory. Tsy mba mitsara toy izay ataon’olombelona Aho. Ny olona mijery ivelany fotsiny ihany, fa Izaho TOMPO kosa mahita hatramin’ny atin’ny fo.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra