Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 1:12 - DIEM PROTESTANTA

12 koa dia omena anao ny fahendrena sy ny fahaiza-manavaka. Ary homeko vola aman-karena koa ianao, mihoatra noho izay nananan’ireo mpanjaka hafa rehetra tany alohanao, ary tsy hisy hanana toy izany ny any aorianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 dia omena anao ny fahendrena sy ny fahalalana; ary homeko vola aman-karena sy voninahitra koa ianao, mihoatra noho izay nananan’ny mpanjaka rehetra na iza na iza tany alohanao, ary tsy hisy hanana tahaka izany ny any aoriananao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 koa dia omena anao ny fahendrena sy ny fahaiza-manavaka. Ary homeko vola aman-karena koa ianao, mihoatra noho izay nananan’ireo mpanjaka hafa rehetra tany alohanao, ary tsy hisy hanana toy izany ny any aorianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 koa omeko anao ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina. Homeko anao ny vola aman-karena mbamin’ny voninahitra; ny mpanjaka talohanao tsy nisy nanana toy izany; ny any aoriana tsy hisy hanana toy izany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 dia omena anao ny fahendrena sy ny fahalalana; ary homeko vola aman-karena sy voninahitra koa hianao, mihoatra noho izay nananan’ny mpanjaka rehetra na iza na iza tany alohanao, ary tsy hisy hanana tahaka izany ny any aorianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 dia omena anao ny fahendrena sy fahalalana; ary homeko vola aman-karena sy voninahitra koa ianao, mihoatra noho izay nananan'ny mpanjaka rehetra na iza na iza tany alohanao, ary tsy hisy hanana tahaka izany ny any aorianao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 dia omena anao ny fahendrena sy ny fahalalana; ary homeko vola aman-karena sy voninahitra koa ianao, mihoatra noho izay nananan’ny mpanjaka rehetra na iza na iza tany alohanao, ary tsy hisy hanana tahaka izany ny any aoriananao.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 1:12
10 Rohy Ifampitohizana  

Olona avy amin’ny tany tontolo no nitady hahita an’i Salômôna mba hihaino ny fahendrena izay nataon’Andriamanitra tao am-pony.


Avy aminao ny harena sy ny voninahitra; ary Ianao no mifehy izao rehetra izao. Eo an-tananao ny fahefana sy ny hery, ka Ianao no mahalehibe sy manamafy ny zavatra rehetra.


Nasandratry ny TOMPO teo imason’i Israely manontolo ny lazan’i Salômôna, ary nomeny voninahitra mihoatra noho ny an’ny mpanjaka rehetra talohany tao Israely ny fanjakany.


I Salômôna mpanjaka dia nihoatra noho ny mpanjaka hafa rehetra tambonin’ny tany tamin’ny harena sy ny fahendrena.


–Tsy izany ve no nanotan’i Salômôna mpanjakan’i Israely? Kanefa tsy nisy mpanjaka tahaka azy, teo amin’ny firenena maro. Fa notiavin’Andriamanitra izy ka nataony ho mpanjakan’i Israely manontolo; kanjo, na dia izy aza, dia nampanotain’ny vehivavy hafa firenena.


Tonga olona ambony aho ka nomem-boninahitra mihoatra noho ireo izay nanjaka talohako tao Jerosalema. Nefa, na dia izany aza, dia nijanona ho olon-kendry aho.


Hadinon’ny olona kosa amin’izay fa mandalo ny fiainany, satria fenoin’Andriamanitra fahasambarana ny fony.


Nefa katsaho aloha ny Fanjakàn’Andriamanitra sy ny hanao ny marina nosoritany, dia homeny anareo ho fanampiny ireny rehetra ireny.


Ary ho an’Andriamanitra Izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay angatahintsika na heverintsika aza, araka ny heriny miasa ato amintsika,


Kanefa raha misy aminareo tsy manam-pahendrena, dia aoka izy hangataka amin’Andriamanitra fa homeny; satria manome malalaka ho an’ny olona rehetra Andriamanitra sady tsy mba mandatsa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra