Aza mampahory ny namanao, na manendaka azy. Aza tananao miloaka alina ny karaman’ny mpikarama.
1Timoty 5:18 - Baiboly Katolika fa hoy ny Soratra Masina hoe: Aza manakombona ny vavan’ny omby mively vary; ary koa: Ny mpiasa dia mendrika ny tambiny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa hoy ny Soratra Masina: «Aza manakombona ny vavan’ny omby mively vary ianao» (Deo 25.4). Ary koa: «Ny mpiasa dia mendrika hahazo ny karamany» (Lio 10.7). DIEM PROTESTANTA Fa hoy ny Soratra Masina hoe: «Aza akombona ny vavan’ny omby mively vary», ary koa hoe: «Mendrika hahazo ny karamany ny mpiasa.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa hoy ny Soratra Masina hoe: «Aza akombona ny vavan’ny omby mively vary», ary koa hoe: «Mendrika hahazo ny karamany ny mpiasa.» Baiboly Protestanta Malagasy Fa hoy ny Soratra Masina: ,,Aza manakombona ny vavan’ny omby mively vary hianao’’ (Deo. 25.4). Ary koa: ,,Ny mpiasa miendrika hahazo ny karamany’’ (Lio. 10.7). Malagasy Bible Fa hoy ny Soratra Masina: "Aza manakombona ny vavan'ny omby mively vary ianao" (Deo. 25.4) Ary koa: "Ny mpiasa miendrika hahazo ny karamany" (Lio.10.7). La Bible en Malgache Fa hoy ny Soratra Masina: «Aza manakombona ny vavan’ny omby mively vary ianao» (Deo 25.4). Ary koa: «Ny mpiasa dia mendrika hahazo ny karamany» (Lio 10.7). |
Aza mampahory ny namanao, na manendaka azy. Aza tananao miloaka alina ny karaman’ny mpikarama.
na kitapom-batsy eny an-dalana, na akanjo roa, na kiraro, na tehina, fa ny mpiasa dia mendrika homen-kanina.
Ary mitoera amin’izany trano izany, ka mihinàna sy misotroa izay misy ao, fa mendrika ny karamany ny mpiasa. Aza mifindrafindra trano.
ka tsy narian’Andriamanitra ny olony, izay efa fantany rahateo. Tsy fantatrareo va ilay itantaran’ny Soratra Masina ny fitarainan’i Elia tamin’Andriamanitra namely an’i Israely hoe:
Fa ahoana hoy ny Soratra Masina? Izao: «Nino an’Andriamanitra i Abrahama, ka izany no notanana ho fahamarinana.»
Fa hoy ny Soratra Masina tamin’i Faraôna: Ny hoentiko mampiharihary ny heriko, sy hanambaràna ny Anarako amin’ny tany rehetra no nananganako anao.
Toy izany koa no nandidian’ny Tompo fa izay mitory ny Evanjely, dia hahazo fivelomana amin’ny Evanjely.
Ary tsinjon’ny Soratra Masina rahateo fa amin’ny finoana no anamarinan’Andriamanitra ny Jentily, ka nilaza vaovao mahafaly tamin’i Abrahama izy, nanao hoe: Aminao no hanasoavan’Andriamanitra ny firenena rehetra.
Ary moa ataonareo ho teny foana va ny lazain’ny Soratra Masina hoe: «Tia anareo sy saro-piaro anareo aza ny Fanahy Izay nampitoeriny ao anatinareo?»