Ary hoy i Davida tamin’i Abisaia sy ny mpanompony rehetra: «He, ny zanako naloaky ny kiboko aza ity mitady ny aiko; ka mainka fa io zana-Benjamina io! Avelao izy hanozona, fa didin’i Iaveh taminy izany.
1Timoty 1:9 - Baiboly Katolika sy heveriny tsara fa tsy natao ho an’ny olo-marina izy, fa ho an’ny mpandika sy ny mpanohitra, ny tsy manaja an’Andriamanitra sy ny mpanota, ny tsy mpivavaka sy ny tsy mpino, ny mpamono ray sy mpamono reny, ny mpamono olona, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ka fantany fa tsy ny olona marina no nanaovana ny lalàna fa ny mpandika lalàna sy ny mpikomy, dia ny tsy matahotra an’Andriamanitra sy ny mpanota, ny olona tsy manaja izay masina sy ny olona mpaniratsira, ny mpamono ray sy ny mpamono reny, ny mpamono olona, DIEM PROTESTANTA Tokony hotsarovana fa ny lalàna dia tsy natao ho an’ny manao ny marina, fa ho an’ny mpandika lalàna sy ny maditra: dia ny olon-dratsy sy ny mpanota, ny olona mpaniratsira an’Andriamanitra sy mpanimbazimba fivavahana, ny mpamono ray sy mpamono reny, ny mpamono olona, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tokony hotsarovana fa ny lalàna dia tsy natao ho an’ny manao ny marina, fa ho an’ny mpandika lalàna sy ny maditra: dia ny olon-dratsy sy ny mpanota, ny olona mpaniratsira an’Andriamanitra sy mpanimbazimba fivavahana, ny mpamono ray sy mpamono reny, ny mpamono olona, Baiboly Protestanta Malagasy ka fantany fa tsy ny olona marina no nanaovana ny lalàna, fa ny mpandika lalàna sy ny maditra, dia ny tsy matahotra an’Andriamanitra sy ny mpanota, ny olona tsy manaja izay masina sy ny olona vetaveta, ny mpamono ray sy ny mpamono reny, ny mpamono olona, Malagasy Bible ka fantany fa tsy ny olona marina no nanaovana ny lalàna, fa ny mpandika lalàna sy ny maditra, dia ny tsy matahotra an'Andriamanitra sy ny mpanota, ny olona tsy manaja izay masina sy ny olona vetaveta, ny mpamono ray sy ny mpamono reny, ny mpamono olona, La Bible en Malgache ka fantany fa tsy ny olona marina no nanaovana ny lalàna fa ny mpandika lalàna sy ny mpikomy, dia ny tsy matahotra an’Andriamanitra sy ny mpanota, ny olona tsy manaja izay masina sy ny olona mpaniratsira, ny mpamono ray sy ny mpamono reny, ny mpamono olona, |
Ary hoy i Davida tamin’i Abisaia sy ny mpanompony rehetra: «He, ny zanako naloaky ny kiboko aza ity mitady ny aiko; ka mainka fa io zana-Benjamina io! Avelao izy hanozona, fa didin’i Iaveh taminy izany.
Ary raha ilay niankohoka teo an-tranon’i Nesraoka andriamaniny iny izy, dia novonoin’i Adramelaka sy i Sarasara zanany lahy tamin’ny sabatra, ka nandositra nankany amin’ny tany Ararata ireo. Dia i Asaradòna zanany no nanjaka nandimby azy.
Dia naniraka Anjely anankiray i Iaveh ary naringan’io avokoa ny lehilahy mahery sy ny filohany mbamin’ny lehibe teo an-tobin’ny mpanjakan’i Asiria, ka lasa nody any amin’ny taniny, safo-kenatra, ity mpanjaka. Nony tafiditra tao an-tranon’ny andriamaniny izy, dia ny sasany tamin’izay naloaky ny kibony no namono azy tamin’ny sabatra.
Fa raha misy kosa lehilahy nanao an-kasomparana amin’ny namany hamonoany azy an-kafetsena, na mby eo amin’ny ôtely aza, tsoahy eo ka vonoy ho faty.
Izay mivesatra ny ran’olona nalatsany, dia mandositra hatrany an-davaka: Aza misakana azy.
Izay mandroba ray aman-dreny, ka manao hoe: «Tsy fahotana izany», dia naman’ny jiolahy.
Ny maso maniratsira ny ray, sy maneso ny fanoavan-dreny, dia hogorobahin’ny goaika eny an-dohasahan-driaka, sy hohanin’ny zana-boromahery.
Hatramin’ny mpaminany ama-mpisorona aza no olona tsy voahasina, ary hitako hatrao an-tranoko aza ny haratsiany, - teny marin’i Iaveh. -
Manorita lalana halehan’ny sabatra ho any Rabata, renivohitry ny taranak’i Amôna, na ho any amin’i Jodà, hamely an’i Jerosalema, tanàna mimanda.
Na zovy na zovy manozona ny rainy na ny reniny, dia hohelohin-ko faty; fa efa nanozona an-drainy na an-dreniny izy, ka dia aminy ny rany.
Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny hovonoina, ny ray hanolotra ny zanany, ny zanaka hiodina amin’ny rainy aman-dreniny ka hamono azy;
mpanendrikendrika, halan’Andriamanitra, miavonavona, misolanandrana, be rehaka, mpamorona sain-dratsy, tsy manoa ray aman-dreny,
Tsy ny Lalàna no nahazoan’i Abrahama sy ny taranany fampanantenana handova izao tontolo izao, fa ny fahamarinana avy amin’ny finoana.
Ny Lalàna dia nisisika nahabe ny fahadisoana; nefa tao amin’izay nahabe ny fahadisoana indrindra no nihoaran’ny fahasoavana ho ambony lavitra,
Fa tsy hanan-kery aminareo ny fahotana, satria ianareo tsy ambanin’ny Lalàna, fa ambanin’ny fahasoavana.
Naninona àry ny Lalàna? Nanampy fotsiny izy, noho ny fandikana, mandra-piavin’ilay Taranaka nanaovana ny fampanantenana: Anjely no namoaka azy teo an-tanan’ny mpanalalana anankiray.
fitsiriritana, famonoana olona, fimamoana, filerana, sy ny zavatra toy izany. Ary lazaiko anareo rahateo, araka ny efa voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.
Aoka ho voaozona izay manao tsinontsinona ny ray aman-dreniny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.
ka dia hiseho amin’izany ilay ratsy, ka holevonin’i Jesoa amin’ny fofon’ain’ny vavany, sy hofoanany amin’ny fisehoan’ny fahatongavany.
Fa ireny anganongano foana fanaom-bavy antitra ireny dia lavy; ary mampiasà ny tenanao amin’ny fivavahana.
Ry Timote! tano izay napetrako taminao, ary halaviro ny lahateny foana tsy mahasoa, mbamin’ny fanoheran-kevitra avy amin’ny fahaizana mpisandoka anarana,
Halaviro ireny fibedibedena mandoza ireny, fa mbola handroso ny haratsian’ireny mpanao izany,
fa ho tia tena ny olona, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, mpiteny ratsy, mpanohi-dray aman-dreny, tsy mankasitraka, tsy tia vavaka,
Fa maro no manohitra sy mpanao laha-pahitra ary manambosy ny sasany, indrindra fa amin-dry zareo voafora,
Manao azy ho mahalala an’Andriamanitra izy ireo, nefa mandà Azy amin’ny asany, satria olona vetaveta sy manohitra ary tsy mahavita asa soa na inona na inona.
dia olona tsy manan-tsiny, nanambady indray mandeha ihany, sady mpino ny zanany no tsy ampangaina ho mpanaram-po amin’ny ratsy, na maditra.
Fa isika koa fahiny mba efa adala, tsy nanaiky, naniasia, andevon’ny faniriana amam-pilàn-dratsin’ny nofo rehetra, mpisompatra sy mpialona ka sady tandrifiny hankahalaina no nifankahala koa.
Ny finoana no tsy nahafatesan-dRahaba vehivavy janga niaraka tamin’ny fahavalo, satria nandray ny tily tamim-pihavanana izy.
Aoka tsy hisy mpijangajanga aminareo, na mpanazimba ny zavatra masina tahaka an’i Esao, izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraimbava.
Koa voninahitra ho anareo izay mino; fa ho an’izay tsy mino kosa dia: Ny vato nolavin’ny mpanao trano no efa tonga fehizoro,
dia ireo fanahy tsy nino fahiny, fony niandry ny fahari-pon’Andriamanitra tamin’ny andron’i Nôe, mandritra ny nandrafetana ny sambo fiara, izay nampidirana olona vitsy, dia valo monja, sy namonjena azy teo tamin’ny rano.
hitsara ny olona tsy an-kanavaka: hampiharihary ny halozan’ny asa ratsy rehetra nataon’ny ratsy fanahy, sy ny haratsian’ny teny rehetra nanevatevan’ny mpanota mankahala ny fivavahana an’Andriamanitra»
Fa ny kanosa kosa, sy ny tsy mino, ny tsy valahara, ny mpamono olona, ny mpijangajanga, ny mpimasy, ny mpanompo sampy, mbamin’ny mpandainga rehetra, dia any amin’ny farihy afo aman-tsolifara mirehitra no ho anjarany; izany no fahafatesana faharoa.»
Fa any ivelany kosa ny alika sy ny mpimasy, ny mpijangajanga, ny mpamono olona, ny mpanompo sampy, mbamin’izay rehetra tia lainga sy mpandainga.