Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Petera 5:7 - Baiboly Katolika

apetraho aminy ny fiahianareo rehetra, fa Izy no miahy anareo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

ary apetraho Aminy ny fanahianareo rehetra, fa Izy no miahy anareo (Sal 55.22).

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Apetraho aminy avokoa ny fanahianareo rehetra, fa Izy no miahy anareo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Apetraho aminy avokoa ny fanahianareo rehetra, fa Izy no miahy anareo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo (Sal. 55.22).

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo (Sal. 55.22).

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

ary apetraho Aminy ny fanahianareo rehetra, fa Izy no miahy anareo (Sal 55.22).

Jereo ny toko



1Petera 5:7
23 Rohy Ifampitohizana  

Mandosira ny ratsy ary manaova ny tsara, mitadiava fihavanana ary katsaho izany.


Ankino amin’i Iaveh ny anjaranao, dia matokia Azy, fa dia hanao Izy;


Hifaly sy hiravoravo aminao kosa anie, izay rehetra mitady Anao! Aoka hilaza mandrakariva hoe: «Voninahitra anie ho an’i Iaveh!» ireo tia ny famonjenao.


Mamy hoatry ny ronono ny teny aloaky ny vavany, nefa ady no ao am-pony. Malemy noho ny diloilo ny teniny, nefa lela sabatra miharihary.


Mangataha fanampiana amin’i Iaveh amin’ny asanao; dia ho vanona ny fikasanao.


Ary iza aminareo, na dia manahy aza, no mahay manalava ny tenany na dia iray hakiho ihany aza?


Ary ahoana no anahianareo ny amin’ny fitafiana? Zahao ny fanirin’ny lisy any an-tsaha, fa tsy mba miasa, na mamoly ireny;


Noho izany, aza manahy ianareo manao hoe: Inona no hohaninay, na inona no hosotroinay, na inona no hotafinay?


Fa i Jesoa kosa natory teo ambody sambo kely tambonin’ny ondana, ka nofohazin’izy ireo Izy nilazany hoe: «Ry Mpampianatra ô! tsy mampaninona Anao va raha maty izahay?».


Dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: Noho izany dia lazaiko aminareo fa aza manahy izay hanina hivelomanareo, na izay fitafiana hitafian’ny vatanareo;


Koa raha ny kely indrindra aza tsy efanareo, ahoana no anahianareo ny zavatra hafa?


satria mpikarama izy, ka tsy raharahainy akory ny ondry.


Aza manahy na inona na inona; fa ambarao an’Andriamanitra, amin’ny fivavahana amam-pifonana ary fisaorana, izay rehetra ilainareo na amin’inona na amin’inona.


Niferin’aina mafy i Davida, fa nanao teny hitora-bato azy ny antoko-miaramilany, satria samy nahatsiaro mangidy mafy loatra tao am-pony ny vahoaka noho ny amin’ny zanany lahy sy ny zanany vavy. Nefa nampahery ny tenany tamin’i Iaveh Andriamaniny, i Davida.