Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Petera 5:14 - Baiboly Katolika

Mifampiarahabà amin’ny fifanoroham-pitiavana. Ho ao aminareo rehetra izay ao amin’i Kristy Jesoa anie ny fiadanana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Mifanaova veloma amin’ny fanoroham-pitiavana. Ho aminareo rehetra izay ao amin’i Kristy anie ny fiadanana!

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Mifanaova veloma amin’ny fanoroham-pifankatiavana. Ao aminareo rehetra tafaray amin’i Kristy ny fiadanana!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Mifanaova veloma amin’ny fanoroham-pifankatiavana. Ao aminareo rehetra tafaray amin’i Kristy ny fiadanana!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Mifanaova veloma amin’ny fanoroham-pitiavana. Ho aminareo rehetra izay ao amin’i Kristy anie ny fiadanana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Mifanaova veloma amin'ny fanoroham-pitiavana. Ho aminareo rehetra izay ao amin'i Kristy anie ny fiadanana.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Mifanaova veloma amin’ny fanoroham-pitiavana. Ho aminareo rehetra izay ao amin’i Kristy anie ny fiadanana!

Jereo ny toko



1Petera 5:14
16 Rohy Ifampitohizana  

Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo, inona no mihoatra amin’ny ataonareo? Moa na dia ny Jentily aza tsy mba manao izany ihany koa?


Fiadanana no avelako aminareo fiadanako no omeko anareo, tsy mba tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no omeko anareo. Aoka tsy hitebiteby na hatahotra ny fonareo.


Izaho no nilaza izany taminareo, dia mba hanananareo fiadanana amiko. Hozoim-pahoriana ianareo eto amin’izao tontolo izao; fa matokia, efa nandresy an’izao tontolo izao Aho.


Androtr’izay ihany, izany hoe harivan’ilay andro voalohan’ny herinandro, raha nirindrina ny varavaran’ny trano nivorian’ny mpianatra noho ny fahatahorany ny Jody, dia tonga i Jesoa ka nitsangana teo afovoany, sy nilaza tamin’ireo hoe: «Ho aminareo anie ny fiadanana!»


Nony afaka havaloana, raha mbola nivory tao an-trano ihany ny mpianany sady teo koa i Tomà, dia tonga i Jesoa, nefa nirindrina ny varavarana. Nitsangana teo afovoany Izy ka nanao hoe: «Ho aminareo anie ny fiadanana!»


mamangy anareo rehetra malalan’Andriamanitra any Rôma, izay olo-masina voaantsony: ho ao aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika, sy i Jesoa Kristy Tompo.


Mifampiarahabà amin’ny fanorohana masina. Manao veloma anareo ny Eglizin’i Kristy rehetra.


Koa ankehitriny, tsy misy fanamelohana intsony ho an’izay ao amin’i Kristy Jesoa sady tsy mandeha ara-nofo;


Fa avy aminy no maha-ao amin’i Kristy Jesoa anareo, dia Ilay nataon’Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana ary fahamasinana amam-panavotana ho antsika,


Manao veloma anareo ny havana rehetra iray finoana. Mifanaova veloma amin’ny fanorohana masina.


Mifanaova veloma amin’ny fanorohana masina. Manao veloma anareo ny olo-masina rehetra.


Noho izany, na iza na iza ao amin’i Kristy, dia zava-boaary vaovao izy, ka lasa ny zavatra taloha, fa indro tonga vaovao ny zavatra rehetra.


Fiadanana anie ho an’ny havana iray finoana, ary fitiavana amam-pinoana avy amin’Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Tompo!


Mampanao veloma ny rahalahy rehetra amin’ny fanorohana masina izahay.


araka ny fahalalan’Andriamanitra Ray rahateo, tamin’ny fanamasinan’ny Fanahy, mba hankatò ny finoana, sy hanana anjara amin’ny famafazana ny Ran’i Jesoa Kristy: hitombo fahasoavana sy fiadanana hatrany hatrany anie ianareo!


Fa manantena hahita anao faingana aho, ka dia hiresaka mifanatrika isika. Ho ao aminao anie ny fiadanana. Manao veloma anao ny sakaizantsika. Veloma any amin’ny sakaizantsika tsirairay avy.