I Absalôma kosa tsy niteny tamin’i Amnôna intsony na soa na ratsy na dia indraimbava aza, fa halan’i Absalôma i Amnôna noho ny nametavetany an’i Tamara anabaviny.
1Jaona 2:11 - Baiboly Katolika Fa izay mankahala ny namany dia ao anatin’ny haizina sy mandeha amin’ny maizina, ka tsy mahalala izay halehany, fa voajamban’ny haizina ny masony. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa izay mankahala ny rahalahiny dia ao amin’ny maizina ary mandeha ao amin’ny maizina ka tsy mahalala izay alehany satria ny maizina no nahajamba ny masony. DIEM PROTESTANTA Fa izay mankahala ny namany no ao amin’ny haizina: ao amin’ny haizina no andehanany ka tsy fantany izay alehany, satria voajamban’ny haizina ny masony. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa izay mankahala ny namany no ao amin’ny haizina: ao amin’ny haizina no andehanany ka tsy fantany izay alehany, satria voajamban’ny haizina ny masony. Baiboly Protestanta Malagasy Fa izay mankahala ny rahalahiny dia ao amin’ny maizina ary mandeha ao amin’ny maizina ka tsy mahalala izay alehany, satria ny maizina no efa nahajamba ny masony. Malagasy Bible Fa izay mankahala ny rahalahiny dia ao amin'ny maizina ary mandeha ao amin'ny maizina ka tsy mahalala izay alehany, satria ny maizina no efa nahajamba ny masony. La Bible en Malgache Fa izay mankahala ny rahalahiny dia ao amin’ny maizina ary mandeha ao amin’ny maizina ka tsy mahalala izay alehany satria ny maizina no nahajamba ny masony. |
I Absalôma kosa tsy niteny tamin’i Amnôna intsony na soa na ratsy na dia indraimbava aza, fa halan’i Absalôma i Amnôna noho ny nametavetany an’i Tamara anabaviny.
Fa toy ny haizina kosa ny lalan’ny ratsy fanahy, ka tsy tazany akory izay hanafintohina azy.
Aza mankahala ny rahalahinao ao am-ponao, fa mananara ny namanao, mba tsy hahazoanao heloka noho ny aminy.
Dia hoy i Jesoa taminy: «Kely foana sisa hitoeran’ny mazava eto aminareo, ka mandehana dieny mbola eo aminareo ny mazava, fandrao tratry ny haizina ianareo, satria izay mandeha amin’ny haizina dia tsy mahalala izay alehany akory.
«Efa nohajambainy ny masony, ary nohamafisiny ny fony, fandrao mahita ny masony ka hahafantatra ny fony, dia hibebaka izy, ka sao sitraniko.»
Fa toa nihajamba ny sain’izy ireo, satria mandraka ankehitriny dia tsy nesorina taminy, fa mbola ao ihany, izany saron-tava izany raha mamaky ny tenin’ny fanekena taloha izy, fa ao amin’i Kristy ihany moa no anesorana izany.
izany hoe amin’ireo tsy mino nohajambain’ny andriamanitr’izao tontolo izao mba tsy hiposahan’ny fahazavam-boninahitry ny Evanjelin’i Kristy, Izay endrik’Andriamanitra.
Fa isika koa fahiny mba efa adala, tsy nanaiky, naniasia, andevon’ny faniriana amam-pilàn-dratsin’ny nofo rehetra, mpisompatra sy mpialona ka sady tandrifiny hankahalaina no nifankahala koa.
Fa izay tsy manana an’ireo kosa dia jamba sy tsy mahajery lavitra ary manadino ny nanadiovana azy tamin’ny fahotany fahiny.
Raha milaza ho manana fikambanana aminy isika, nefa mandeha amin’ny maizina, dia mandainga sy tsy manao ny marina.
Izay tia ny namany no mitoetra ao amin’ny mazava, ka tsy misy fanafintohinana ao aminy.
Izay milaza azy ho ao amin’ny fahazavana, nefa mankahala ny namany, dia mbola ao amin’ny haizina ihany.
Izay rehetra mankahala ny namany dia mpamono olona, ary fantatrareo fa tsy misy mpamono olona manana ny fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny.
Raha misy milaza azy ho tia an’Andriamanitra, nefa mankahala ny namany, dia mpandainga izy; satria, raha ny namany hitany aza tsy tiany, hataony ahoana no fitia an’Andriamanitra tsy hitany?
Ianao mihambo hoe: mpanan-karena aho, hahazo fananam-be, tsy manan-java-mahory aho; fadiranovana, mahantra, jamba, ary mitanjaka aza.