Nifikitra nanenjika an’i Saola sy ireo zanany ny Filistinina ka matin’ny Filistinina i Jonatàna sy i Abinadaba ary i Melkisoà, zanak’i Saola.
1Tantara 9:39 - Baiboly Katolika I Nera niteraka an’i Kisa, i Kisa niteraka an’i Saola, i Saola niteraka an’i Jonatàna, i Melkisa, i Abinadaba, ary i Esbaala. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 I Nera no niteraka an’i Kisy; i Kisy no niteraka an’i Saoly; i Saoly no niteraka an’i Jonatana, i Malky-Soa, i Abinadaba ary i Esbala. DIEM PROTESTANTA I Nera no ray niteraka an’i Kisy; i Kisy, ray niteraka an’i Saoly; i Saoly, ray niteraka an-dry i Jônatàna sy i Melkîsa ary i Abinadaba sy i Esbahala. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Nera no ray niteraka an’i Kisy; i Kisy, ray niteraka an’i Saoly; i Saoly, ray niteraka an-dry i Jônatàna sy i Melkîsa ary i Abinadaba sy i Esbahala. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Nera niteraka an’i Kisy; ary Kisy niteraka an’i Saoly; ary Saoly niteraka an’i Jonatana sy Malkisoa sy Abinadaba ary Esbala. Malagasy Bible Ary Nera niteraka an'i Kisy; ary Kisy niteraka an'i Saoly; ary Saoly niteraka an'i Jonatana sy Malkisoa sy Abinadaba ary Esbala. La Bible en Malgache I Nera no niteraka an’i Kisy; i Kisy no niteraka an’i Saoly; i Saoly no niteraka an’i Jonatana, i Malky-Soa, i Abinadaba ary i Esbala. |
Nifikitra nanenjika an’i Saola sy ireo zanany ny Filistinina ka matin’ny Filistinina i Jonatàna sy i Abinadaba ary i Melkisoà, zanak’i Saola.
I Make lôta niteraka an’i Samaana. Nitoetra teo anilan’ny rahalahiny koa izy ireo tao Jerosalema niaraka tamin’ny rahalahiny.
Koa noho izany dia indro fa tamin’ny andro hiadiana dia tsy nisy lefona na sabatra teo an-tanan’ny vahoaka rehetra nomba an’i Saola sy i Jônatasy, fa teo an-tanan’i Saola sy i Jônatasy zanany ihany no nisy.
Indray andro izay, hoy i Jônatasy tamin’ny zatovo nitondra ny fiadiny: «Andeha isika hiampita eny amin’ny antoko miaramilan’ny Filistinina erỳ an-dafy». Tsy nolazainy tamin-drainy anefa izany.
Nikiry nanenjika an’i Saola sy ny zanany ny Filistinina, ka matin’ny Filistinina avokoa i Jônatasy sy i Abinadaba ary i Melkisoà zanak’i Saola.