Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -

1Tantara 10 - Baiboly Katolika


Ny nahafatesan’i Saola
(Jereo 1Sam 31,1-13 )

1 Niady tamin’i Israely ny Filistinina ary nandositra teo anoloan’ny Filistinina ny lehilahy amin’i Israely, ka lavo teny an-tendrombohitra Jelbôe efa azon’ny ratra mahafaty.

2 Nifikitra nanenjika an’i Saola sy ireo zanany ny Filistinina ka matin’ny Filistinina i Jonatàna sy i Abinadaba ary i Melkisoà, zanak’i Saola.

3 Dia i Saola indray no nezahin’ny ady mafy. Nony hitan’ny mpandefa tsipìka izy, dia natahotra mafy an’ireo mpandefa tsipìka izy.

4 Ary hoy i Saola tamin’ny mpitondra fiadiany: «Tsoahy ny sabatrao, ka trobary aho, fandrao avy manevateva ahy ireo tsy mifora ireo.» Tsy nety anefa ilay mpitondra fiadiana fa azon-tahotra, ka nalain’i Saola ny sabany, dia nianjerany avy eo ambony.

5 Vao hitan’ilay mpitondra fiadiana fa maty i Saola, dia mba nianjera tamin’ny sabany koa izy, ka maty.

6 Toy izany no nahafatesan’i Saola sy ny zanany lahy, ary indray maty ny ankohonany rehetra.

7 Nony hitan’ny lehilahy rehetra amin’i Israely, izay teny amin’ny tany lemaka, fa nandositra ny zanak’i Israely, ary maty koa i Saola sy ny zanany, dia nilaozan’izy ireo ny tanànany, ka nitsoaka nandositra izy; ary tonga sy niorim-ponenana teo ny Filistinina.

8 Ny ampitson’iny, tonga handroba ny zavatry ny maty ny Filistinina ka hitany niampatra teo an-tendrombohitra Jelbôe, i Saola sy ny zanany.

9 Nendahiny ny teny an-kodiny, dia nentiny ny lohany amam-piadiany; raha efa izany dia nandefa iraka izy, hilaza izany zava-baovao mahafaly izany eran’ny tanin’ny Filistinina, eo anoloan’ny sampiny sy ny vahoaka rehetra.

10 Ny fiadian’i Saola, napetrany tao an-tranon’ny andriamaniny, ary ny karandohany nohomboany tao amin’ny tempolin’i Dagôna.

11 Nony nandre izay rehetra nataon’ny Filistinina tamin’i Saola ny tany Jabesa any Galaada rehetra,

12 dia niainga avokoa ny lehilahy mahery, naka ny fatin’i Saola sy ny fatin’ireo zanany, ary nitondra azy ho any Jabesa. Naleviny teo ambanin’ny terebinta tao Jabesa ny taolany, dia nifady hanina hafitoana izy ireo.

13 Maty i Saola noho ny hadisoany tamin’i Iaveh, izay nahameloka azy, fa tsy nitandrina ny tenin’i Iaveh izy, sady nanontany ary nila hevitra tamin’ireo mpiantso ny maty.

14 Tsy nila hevitra tamin’i Iaveh izy, ka dia novonoin’i Iaveh, ary nafindrany amin’i Davida zanak’i Isaia ny fanjakana.

Baiboly Katolika © La Société Biblique Malgache, 2003.

Malagasy Bible Society
Araho izahay:



dokam-barotra