ho an’ny antokon’ny mpisorona sy ny Levita, ho an’ny raharaha rehetra momba ny fanompoana ao an-tranon’i Iaveh.
1Tantara 9:22 - Baiboly Katolika 212 no isan’ireo olom-boafidy ho mpiandry varavarana ireo. Voasoratra amin’ny vohiny avy izy, ary i Davida sy i Samoela mpahita no nanendry azy hanao io raharaha io. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny isan’ireo voafidy ho mpiandry varavarana ireo dia roa amby folo sy roanjato. Ireo dia voasoratra araka ny firazanany tany amin’ny vohiny avy; notendren’i Davida sy i Samoela mpahita izy noho ny fahatokiany. DIEM PROTESTANTA Ny isan’izy rehetra voafidy ho mpiandry vavahady sy varavarana dia 212. Voasoratra tany amin’ny tanàna fiaviany avy ireo. I Davida sy i Samoela, ilay mpaminany isehoam-pahitana, no nanendry ny razambeny hanao izany raharaha izany noho ny toetra mahatoky nananany; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny isan’izy rehetra voafidy ho mpiandry vavahady sy varavarana dia 212. Voasoratra tany amin’ny tanàna fiaviany avy ireo. I Davida sy i Samoela, ilay mpaminany isehoam-pahitana, no nanendry ny razambeny hanao izany raharaha izany noho ny toetra mahatoky nananany; Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny isan’ireo voafidy ho mpiandry varavarana ireo dia roa ambin’ny folo amby roan-jato. Ireo dia voasoratra araka ny firazanany tany amin’ny vohiny avy; ary notendren’i Davida sy Samoela mpahita izy noho ny fahamarinany. Malagasy Bible Ary ny isan'ireo voafidy ho mpiandry varavarana ireo dia roa ambin'ny folo amby roan-jato. Ireo dia voasoratra araka ny firazanany tany amin'ny vohiny avy; ary notendren'i Davida sy Samoela mpahita izy noho ny fahamarinany. La Bible en Malgache Ny isan’ireo voafidy ho mpiandry varavarana ireo dia roa amby folo sy roanjato. Ireo dia voasoratra araka ny firazanany tany amin’ny vohiny avy; notendren’i Davida sy i Samoela mpahita izy noho ny fahatokiany. |
ho an’ny antokon’ny mpisorona sy ny Levita, ho an’ny raharaha rehetra momba ny fanompoana ao an-tranon’i Iaveh.
Indreo homba anao ny antokon’ny mpisorona sy ny Levita ho amin’ny fanompoana rehetra ao an-tranon’Andriamanitra; homba anao, hahavitana izao karazan’asa rehetra izao, ireo olo-mazoto sy mahay, hanaovana ny taozavatra rehetra; ary koa ny lehibe sy ny vahoaka vonon-kanatanteraka ny didinao rehetra.»
Ny asan’i Davida mpanjaka, na ny voalohany na ny farany, dia indro fa voasoratra ao amin’ny tantaran’i Samoela mpahita sy amin’ny tantaran’i Natàna mpaminany, ary amin’ny tantaran’i Gada mpahita, mbamin’ny zava-drehetra momba ny fanjakany, sy ny asa nataony tamin-kerim-po sy ny fiovaovan-toetra nahazo azy sy nahazo an’i Israely sy ny fanjakana rehetra an-tany hafa.
i Obadià zanak’i Semeià zanak’i Galala zanak’Iditona; i Barakià zanak’i Asà zanak’i Elkanà, izay nonina tao an-tanànan’ny Netôfatianina.
Izy ireo sy ny taranany no tao amin’ny varavaran’ny tranon’i Iaveh, ny tranon’ny tabernakla, mba hiandry azy.
Ny anankiray amin’ny Levita, dia i Matatiasa lahy matoan’i Seloma, i Kôreita, no tonian’ny mofomamy nendasina tamin’ny lapoaly.
Nasiany mpiandry ny varavaran’i Iaveh, mba tsy hisy olona voaloton’inon’inona hiditra eo.
Nisy fehiny niandry raharaha homeny azy ireo, tao amin’ny tanànan’ny mpisorona, dia i Edena, i Benjamina, i Jesoe, i Semeiàsa, i Amariasa, i Sekeniasa, izay niadidy ny fizaràna ho an’ny rahalahiny, araka ny antokony avy, na ny lehibe na ny kely;
Voasoratra tao anatin’ny boky ny zanany rehetra, ny vadiny, ny zanany lahy, ny zanany vavy, ny fiangonana rehetra, fa noho ny fahamarinany dia nikarakara tamim-pahamasinana ny fanatitra masina.
nitandrina ny zavatra rehetra momba ny fanompoana ny Andriamaniny sy ny momba ny fanadiovana; torak’izany koa ireo mpihira sy mpiandry varavarana, araka ny nandaharan’i Davida sy i Salômôna zanany.
Teo amin’i Israely fahiny ny olona mandeha hanontany amin’Andriamanitra dia nifampilaza hoe: «Handeha isika ho any amin’ny mpahita». Fa mpahita no fiantson’ny taloha ny atao ankehitriny hoe mpaminany.