Nomban’i Iaveh i Josefa, ka nahazoam-panambinana tamin’ny zavatra rehetra izy; nonina tao an-tranon’ny Ejiptianina tompony izy.
1Tantara 9:20 - Baiboly Katolika I Finea zanak’i Eleazara, no mpanapaka azy ireo taloha, ary nomban’i Iaveh izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 I Finehasa, zanak’i Eleazara, no mpanapaka ireo taloha, ary NY TOMPO nomba azy. DIEM PROTESTANTA Taloha i Pinehasa, zanakalahin’i Elehazara, no mpanapaka ireo; ary nomba an’i Pinehasa ny TOMPO. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Taloha i Pinehasa, zanakalahin’i Elehazara, no mpanapaka ireo; ary nomba an’i Pinehasa ny TOMPO. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Finehasa, zanak’i Eleazara, no mpanapaka ireo taloha, ary Jehovah nomba azy. Malagasy Bible Ary Finehasa, zanak'i Eleazara, no mpanapaka ireo taloha, ary Jehovah nomba azy. La Bible en Malgache I Finehasa, zanak’i Eleazara, no mpanapaka ireo taloha, ary NY TOMPO nomba azy. |
Nomban’i Iaveh i Josefa, ka nahazoam-panambinana tamin’ny zavatra rehetra izy; nonina tao an-tranon’ny Ejiptianina tompony izy.
Hitan’ity tompony fa nomban’i Iaveh izy, ary nambinin’i Iaveh teo an-tanany avokoa ny zavatra rehetra nataony.
I Seloma zanak’i Kôre zanak’i Abiasafa zanak’i Kôre, mbamin’ny Kôreita rahalahiny amin’ny fianakavian-drainy, no nanao ny raharahan’ny mpiandry ny varavaran’ny tabernakla; ny razan’izy ireo no efa niandry ny vavahadin’ny tobin’i Iaveh.
Dia hoy Andriamanitra: «Homba anao Aho; ary izao no famantarana fa Izaho no naniraka anao: Rehefa tafavoakanao an’i Ejipta ny vahoaka, dia hanompo an’Andriamanitra eto amin’ity tendrombohitra ity ianareo.»
I Eleazara zanak’i Aarôna mpisorona no lehiben’ny filohan’ny Levita, ka izy no mpitandrina an’ireo miandraikitra ny fiambenana ny fitoerana masina.
Dia nalefan’i Môizy ho any an-tafika izy arivo lahy isam-pokony ireo, dia izy ireo sy i Finea, zanak’i Eleazara mpisorona, izay nitondra niaraka taminy ny fanaka masina sy ny trômpetra mikarantsana.
I Eleazara zanak’i Aarôna mpisorona, no hitandrina ny diloilon’ny fanaovan-jiro, ny zava-manitra mani-pofona, ny fanatitra tsy tapaka ary ny diloilo fanosorana, dia hitandrina ny Fonenana manontolo mbamin’izay rehetra ao anatiny, ny fitoerana masina mbamin’ny fanaka rehetra momba azy.
Izany no fanompoan’ny fianakavian’ny zanaky ny Gersônita amin’ny trano lay fihaonana, izany no raharahany eo ambanin’ny fitandreman’i Itamara, zanak’i Aarôna mpisorona.
Izany no fanompoan’ny fianakavian’ny zanak’i Merarỳ, dia ny fanompoana rehetra momba ny trano lay fihaonana, eo ambany fifehezan’i Itamara, zanak’i Aarôna mpisorona.
Nirahin’ny zanak’i Israely ho any amin’ny tarana-dRobena sy ny taranak’i Gada ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, any amin’ny tany Galaada, i Finea zanak’i Eleazara mpisorona,
Ary niteny ny iray tamin’ny mpanompony nanao hoe: «Hitako ny iray amin’ny zanak’i Isaï ao Betleema, mahay mitendry harpa; lehilahy matanjaka sy mahery an’ady, mahay miteny, tsara tarehy, ary omban’i Iaveh».