Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 8:33 - Baiboly Katolika

I Nera niteraka an’i Kisa, i Kisa niteraka an’i Saola, i Saola niteraka an’i Jonatàna, i Melkiasoa, i Abinadaba ary i Esbaala.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

I Nera no niteraka an’i Kisy; i Kisy no niteraka an’i Saoly; i Saoly no niteraka an’i Jonatana, i Malky-Soa, i Abinadaba ary i Esbala.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

I Nera no ray niteraka an’i Kisy; i Kisy, ray niteraka an’i Saoly; i Saoly, ray niteraka an-dry i Jônatàna sy i Melkisa ary i Abinadaba sy i Esbahala.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

I Nera no ray niteraka an’i Kisy; i Kisy, ray niteraka an’i Saoly; i Saoly, ray niteraka an-dry i Jônatàna sy i Melkisa ary i Abinadaba sy i Esbahala.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Nera niteraka an’i Kisy; ary Kisy niteraka an’i Saoly; ary Saoly niteraka an’i Jonatana sy Malkisoa sy Abinadaba ary Esbala.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Nera niteraka an'i Kisy; ary Kisy niteraka an'i Saoly; ary Saoly niteraka an'i Jonatana sy Malkisoa sy Abinadaba ary Esbala.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

I Nera no niteraka an’i Kisy; i Kisy no niteraka an’i Saoly; i Saoly no niteraka an’i Jonatana, i Malky-Soa, i Abinadaba ary i Esbala.

Jereo ny toko



1Tantara 8:33
10 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izany kosa i Abnera zanak’i Nera, lehiben’ny foloalindahin’i Saola, dia naka an’i Isbôseta, zanak’i Saola, ka rehefa nentiny nankany Mahanaîma izy,


Dia nandidy ny zatovo hamono azy ireo i Davida; ary notapahin’izy ireo ny tongony aman-tanany, ka nahantony teo amoron’ny farihy any Hebrôna. Raha efa izany dia nalainy ny lohan’i Isbôseta sy naleviny tao amin’ny fasan’i Abnera ao Hebrôna.


I Makelôta niteraka an’i Samaà. Nonina tao akaikin’ny rahalahiny koa ireo tao Jerosalema, niaraka tamin’ny rahalahiny.


Zanaka lahin’i Jonatàna: i Meribaala. I Meribaala niteraka an’i Mikà.


Nony afaka izany dia nangataka mpanjaka izy ireo, ka nomen’Andriamanitra an’i Saoly zanak’i Sisy, lehilahy avy amin’ny fokon’i Benjamina, naharitra efapolo taona.


Nikiry nanenjika an’i Saola sy ny zanany ny Filistinina, ka matin’ny Filistinina avokoa i Jônatasy sy i Abinadaba ary i Melkisoà zanak’i Saola.


Nisy lehilahy anankiray avy amin’i Benjamina atao hoe Kisy, zanak’i Abiela, zanak’i Serôra, zanak’i Bekôrata, zanak’i Afià, zanaky ny Benjaminita anankiray; lehilahy mahery fo izy io.


Nanan-janaka lahy anankiray atao hoe Saola izy, izay sady mbola tanora no tsara tarehy; tsy nisy tsara tarehy noho izy teo amin’ny zanak’i Israely rehetra, ary nanan-tombo ny lohany izy amin’ny halavany noho ny olona rehetra.