Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




2Samoela 2:8 - Baiboly Katolika

8 Tamin’izany kosa i Abnera zanak’i Nera, lehiben’ny foloalindahin’i Saola, dia naka an’i Isbôseta, zanak’i Saola, ka rehefa nentiny nankany Mahanaîma izy,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Fa i Abnera, zanak’i Nera, komandin’ny miaramilan’i Saoly kosa, dia naka an’Isboseta, zanakalahin’i Saoly, ka nitondra azy nankany Mahanaima

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

8 Fa nentin’i Abinera zanakalahin’i Nera sady lehiben’ny tafik’i Saoly nankany Mahanaîma i Isbôsèta zanakalahin’i Saoly,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Fa nentin’i Abinera zanakalahin’i Nera sady lehiben’ny tafik’i Saoly nankany Mahanaîma i Isbôsèta zanakalahin’i Saoly,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Fa Abnera, zanak’i Nera, komandin’ny miaramilan’i Saoly, efa naka an’Isboseta, zanakalahin’i Saoly, ka nitondra azy nankany Mahanaima,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Fa Abnera, zanak'i Nera, komandin'ny miaramilan'i Saoly, efa naka an'Isboseta, zanakalahin'i Saoly, ka nitondra azy nankany Mahanaima,

Jereo ny toko dika mitovy




2Samoela 2:8
18 Rohy Ifampitohizana  

Ka hoy izy nahita ireo: «Tobin’Andriamanitra ity;» dia nataony hoe Mahanaîma ny anaran’izany fitoerana izany.


Ary nandefa iraka hialoha azy i Jakôba, ho any amin’i Esao, rahalahiny, any amin’i Seira any an-tsahan’i Edôma


Tonga tao Mahanaîma i Davida, ary i Absalôma nita an’i Jordany mbamin’ny lehilahy rehetra amin’i Israely.


I Abnera sy ny olony, nony nandeha nandritra ny alina tamin’ny Tany lemaka dia nita an’i Jordany ary namaky an’i Bitrona tontolo, dia tonga tany Mahanaîma.


Ary amin’izao hankeherezina anie ny tananareo, ka ho lehilahy mahery ianareo! Fa maty izay i Saola tomponareo, ary izaho no natsangan’ny fokon’i Jodà ho mpanjakany.»


Hoy ny mpanjaka tamin’ny mpanompony: «Tsy fantatrareo va fa mpifehy ary lehilahy ambony amin’i Israely no maty androany?


Tamin’ny andro niadian’ny fianakavian’i Saola sy ny fianakavian’i Davida, dia nihamahery i Abnera tao amin’ny tranon’i Saola.


Avy amin’ny taranak’i Benjamina, rahalahin’i Saola, 3.000 lahy; fa ny ankabeazan’ireo, hatramin’izay, mbola niraiki-po tamin’ny fianakavian’i Saola ihany.


Tamin’ny taranak’i Efraima, 20.800, samy lehilahy mahery sy malaza any amin’ny fianakavian-drainy avy.


I Nera niteraka an’i Kisa, i Kisa niteraka an’i Saola, i Saola niteraka an’i Jonatàna, i Melkiasoa, i Abinadaba ary i Esbaala.


I Nera niteraka an’i Kisa, i Kisa niteraka an’i Saola, i Saola niteraka an’i Jonatàna, i Melkisa, i Abinadaba, ary i Esbaala.


Totalin’ny tanàna azon’ny taranak’i Merarì, araka ny fianakaviany tamin’ny loka, dia ny fianakavian’ny Levita sisa: tanàna 12.


Ny anaran’ny vadin’i Saola kosa dia Akinôama, zanaka vavin’i Akimaasy. Ny anaran’ny lehiben’ny foloalindahy dia Abnera zanak’i Nera, rahalahin-drain’i Saola.


Nony efa nahita an’i Davida nandroso hiady amin’ilay Filistinina i Saola dia nanontany an’i Abnera, lehiben’ny foloalindahy hoe: «Zanak’iza moa iny zazalahy iny, ry Abnera?» Ary hoy i Abnera: «Marina toy ny maha-velona ny fanahinao, raha mba fantatro velively, ry mpanjaka.»


Ary i Davida niantso ny vahoaka sy i Abnera zanak’i Nera nanao hoe: «Tsy hamaly va ianao, ry Abnera?» Dia hoy i Abnera namaly: «Zovy moa ianao, miantso atỳ amin’ny mpanjaka?»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra