Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




2Samoela 4:12 - Baiboly Katolika

12 Dia nandidy ny zatovo hamono azy ireo i Davida; ary notapahin’izy ireo ny tongony aman-tanany, ka nahantony teo amoron’ny farihy any Hebrôna. Raha efa izany dia nalainy ny lohan’i Isbôseta sy naleviny tao amin’ny fasan’i Abnera ao Hebrôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Dia nandidy ny zatovony i Davida hamono azy ireo ka notapahiny ny tanany sy ny tongony dia nahantony teo anilan’ny kamory tao Hebrona. Fa ny lohan’Isboseta kosa dia noentina ka nalevina tao am-pasan’i Abnera tao Hebrona.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

12 Ary nomen’i Davida baiko ireo zatovony ka namono nahafaty an’i Rekaba sy i Bahanà. Avy eo dia notapahiny ny tanany sy ny tongony, ary nahantony teo akaikin’ny dobo tao Hebrôna. Fa ny lohan’i Isbôsèta kosa dia nentina ka nalevina tao amin’ny fasan’i Abinera tao Hebrôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Ary nomen’i Davida baiko ireo zatovony ka namono nahafaty an’i Rekaba sy i Bahanà. Avy eo dia notapahiny ny tanany sy ny tongony, ary nahantony teo akaikin’ny dobo tao Hebrôna. Fa ny lohan’i Isbôsèta kosa dia nentina ka nalevina tao amin’ny fasan’i Abinera tao Hebrôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Ary Davida nandidy ny zatavony, dio namono azy ireo, ka notapahiny ny tànany sy ny tongony, dia nahantony teo anilan’ny kamory tao Hebrona. Fa ny lohan’Isboseta kosa dia nentina ka nalevina tao am-pasan’i Abnera tao Hebrona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Ary Davida nandidy ny zatovony, dia namono azy ireo, ka notapahiny ny tanany sy ny tongony, dia nahantony teo anilan'ny kamory tao Hebrona. Fa ny lohan'Isboseta kosa dia nentina ka nalevina tao am-pasan'i Abnera tao Hebrona.

Jereo ny toko dika mitovy




2Samoela 4:12
8 Rohy Ifampitohizana  

Sady niantso ny anankiray tamin’ny tovolahy i Davida ka nanao hoe: «Avia, vonoy io.» Dia nasiany, ka maty.


Indro natsingerin’i Iaveh aminao ny ran’ireo tamingan’i Saola rehetra izay nosoloanao toerana mba ho mpanjaka; natolony ho eo an-tanan’i Absalôma zanakao ny fanjakana ka indro fa hidiran-doza ianao izao, satria lehilahy mandatsa-dra ianao.»


Tamin’izany kosa i Abnera zanak’i Nera, lehiben’ny foloalindahin’i Saola, dia naka an’i Isbôseta, zanak’i Saola, ka rehefa nentiny nankany Mahanaîma izy,


dia natolony ireo ho eo an-tanan’ny Gabaônita, ka nahantony tany an-tendrombohitra teo anatrehan’i Iaveh. Niara-maty izy fito lahy tamin’ny andro voalohan’ny fijinjana, fiandohan’ny fijinjana ny orja.


Tao Hebrôna no nalevina i Abnera. Nitomany tamin’ny feo avo ny mpanjaka teo amin’ny fasan’i Abnera, ary nitomany koa ny vahoaka rehetra.


Miankìna amin’i Iaveh fa hanohana anao Izy; tsy havelany hangozohozo mandrakariva ny marina.


fa araka ny fitsarana hataonareo no hitsarana anareo, ary araka ny famarana hamaranareo no hamarana ho anareo koa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra