Nanampy an’i Davida hamely ny andian-jirika izy ireo, fa samy lehilahy mahery ka tonga lehibe tamin’ny foloalindahy.
1Tantara 5:24 - Baiboly Katolika Ireto no lohany amin’ny fianakaviany: i Efera, i Jesì, i Ezriela, i Jirmeià, i Odoià, ary i Jedihela, lehilahy matanjaka sy mahery, lehilahy malaza, lohan’ny fokom-pianakaviany avy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izao no lohan’ny fianakaviany: I Efera, i Jisy, i Eliela, i Azriela, i Jeremia, i Hodavia ary i Jadiela; lehilahy mahery ireo ary malaza sady samy loham-pianakaviany avy. DIEM PROTESTANTA Ny loham-pianakaviany dia i Hefera sy i Jisehỳ, i Eliela sy i Hazriela mbamin’i Jeremià sy i Hôdavià ary i Jahediela: lehilahy mahery sy olo-malaza ireo sady samy lohan’ny fianakaviany avy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny loham-pianakaviany dia i Hefera sy i Jisehỳ, i Eliela sy i Hazriela mbamin’i Jeremià sy i Hôdavià ary i Jahediela: lehilahy mahery sy olo-malaza ireo sady samy lohan’ny fianakaviany avy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary izao no lohan’ny fianakaviany: Efera sy Jisy sy Eliala sy Azriela sy Jeremia sy Hodavia ary Jadiela; lehilahy mahery ireo ary malaza sady samy lohan’ny fianakaviany avy. Malagasy Bible Ary izao no lohan'ny fianakaviany: Efera sy Jisy sy Eliala sy Azriela sy Jeremia sy Hodavia ary Jadiela; lehilahy mahery ireo ary malaza sady samy lohan'ny fianakaviany avy. La Bible en Malgache Izao no lohan’ny fianakaviany: I Efera, i Jisy, i Eliela, i Azriela, i Jeremia, i Hodavia ary i Jadiela; lehilahy mahery ireo ary malaza sady samy loham-pianakaviany avy. |
Nanampy an’i Davida hamely ny andian-jirika izy ireo, fa samy lehilahy mahery ka tonga lehibe tamin’ny foloalindahy.
Zanaka lahin’i Afaima: I Jesì. Zanaka lahin’i Jesì: i Sesàna. Zanaka lahin’i Sesàna: i Oholaia.
Ireo lehilahy voatonona amin’ny anarany ireo, dia samy filohany amin’ny fianakaviany avy; nitombo fatratra ny fokom-pianakaviany,
Ny taranaky ny antsasaky ny fokon’i Manase dia nonina tamin’ny tany hatrany Basàna ka hatrany Baal-Hermôna sy i Anira ary ny tendrombohitra Hermôna; maro izy ireo.
Nivadika tamin’ny Andriamanitry ny razany anefa izy ireo, fa nitolo-tena hanaraka ny andriamanitry ny vahoakan’ny tany izay naringan’Andriamanitra teo anoloany.
Zanaka lahin’i Ozia: i Izrahia. Zanaka lahin’i Izrahia: i Mikaela, i Obadià, i Joela, ary i Jesià, filohany dimy izy rehetra.