Ilay vaditsindranony atao hoe Ramà koa dia niteraka an’i Tabea sy i Gahama, ary i Toasy sy i Maakà.
1Tantara 27:16 - Baiboly Katolika Izao kosa no lohan’ny fokon’i Israely: amin’ny Robenita, i Eliezera zanak’i Zekri; amin’ny Simeônita, i Safatiasa zanak’i Maakà; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izao no lohan’ireo fokon’ny Israely: Tamin’ny Robenita dia i Eliezera, zanakalahin’i Zikry; tamin’ny Simeonita dia i Sefatia, zanakalahin’i Maka; DIEM PROTESTANTA Ireto avy no filohan’ny fokon’i Israely: Tamin’ny fokon’i Reobena, dia i Elihezera zanakalahin’i Zikrỳ. Tamin’ny fokon’i Simehôna, dia i Sefatià zanakalahin’i Mahekà. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ireto avy no filohan’ny fokon’i Israely: Tamin’ny fokon’i Reobena, dia i Elihezera zanakalahin’i Zikrỳ. Tamin’ny fokon’i Simehôna, dia i Sefatià zanakalahin’i Mahekà. Baiboly Protestanta Malagasy ARY izao no lohan’ny firenen’Isiraely: Tamin’ny Robenita dia Eliezera, zanakalahin’i Zikry; tamin’ny Simeonita dia Sefatia, zanakalahin’i Maka; Malagasy Bible Ary izao no lohan ny firenen'Isiraely: Tamin'ny Robenita dia Eliezera, zanakalahin'i Zikry; tamin'ny Simeonita dia Sefatia, zanakalahin'i Maka; La Bible en Malgache Izao no lohan’ireo fokon’ny Israely: Tamin’ny Robenita dia i Eliezera, zanakalahin’i Zikry; tamin’ny Simeonita dia i Sefatia, zanakalahin’i Maka; |
Ilay vaditsindranony atao hoe Ramà koa dia niteraka an’i Tabea sy i Gahama, ary i Toasy sy i Maakà.
Raha mbola nipetraka teo amin’izany tany izany i Israely dia avy i Robena ka nandry tamin’i Balà, vaditsindranon-drainy; ary nandre izany i Israely. Roa ambin’ny folo no isan’ny zanakalahin’i Jakôba.
I Holdaì avy any Netofà, amin’ny fianakavian’i Otoniela, no faha-12, ho amin’ny volana faha-12, ary 24.000 isan’ny antokony.
Novorin’i Davida tany Jerosalema avokoa ny lehibe amin’i Israely, dia ny lohan’ny foko, ny lehiben’ny antokony manompo ny mpanjaka, ny tomponarivo, ny tompon-jato, ny tonian’ny fananana sy ny biby fiompin’ny mpanjaka, sy ny zanany mbamin’ny mpitandrina sy ny olo-mahery, ny miaramila mahery rehetra.
Izao no anaran’ny zanak’i Israely tonga tany Ejipta; tonga niaraka tamin’i Jakôba izy ireo samy nombam-pianakaviany avy:
Ireo no voafidy tamin’ny fiangonana. Lohan’ny firenena avy amin’ny razany izy sy mpifehy arivo amin’i Israely.»
«Ireto no anaran’ny lehilahy hiaraka aminareo: Ny amin’i Robena: Elisora zanak’i Sedeora;
Zamarì no anaran’ilay lehilahy Israelita, niara-novonoina tamin-dravehivavy Madianita; zanak’i Salò izy, sady filoham-pianakaviana tamin’ny Simeônita.