Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 25:14 - Baiboly Katolika

14 Zamarì no anaran’ilay lehilahy Israelita, niara-novonoina tamin-dravehivavy Madianita; zanak’i Salò izy, sady filoham-pianakaviana tamin’ny Simeônita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Ny anaran’ilay lehilahy israelita novonoina, izay niaraka nolefonina tamin-dRavehivavy midianita, dia Zimry, zanak’i Salo, loham-pianakaviana tamin’ny Simeonita.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

14 Ilay Israelita, izay novonoina ho faty niaraka tamin’ilay vehivavy midianîta, dia i Zimrỳ zanakalahin’i Salò sady filoham-pianakaviana simehônita.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Ilay Israelita, izay novonoina ho faty niaraka tamin’ilay vehivavy midianîta, dia i Zimrỳ zanakalahin’i Salò sady filoham-pianakaviana simehônita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Ary ny anaran’ilay lehilahy Israelita novonoina, izay niaraka novonoina tamin-dravehivavy Midianita, dia Zimry, zanak’i Salo, lohan’ny fianakaviana tamin’ny Simeonita.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Ary ny anaran'ilay lehilahy Isiraelita novonoina, izay niaraka novonoina tamin-dravehivavy Midianita, dia Zimry, zanak i Salo, lohan'ny fianakaviana tamin'ny Simeonita.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 25:14
10 Rohy Ifampitohizana  

Ka nony nandalo ireo mpandranto Madianita, dia nesoriny sy nakariny hiala tao an-davaka i Josefa, dia namidiny roapolo farantsa volafotsy tamin’ny Ismaelita, ka nentin’ireo nankany Ejipta.


Nony niala tany Madiàna izy, dia nankany Faràna, ary naka olona avy tao Faràna hiaraka aminy izy ireo, dia tonga tany Ejipta ao amin’ny Faraôna mpanjakan’i Ejipta, ka nomen’izy io trano i Adada, namononany fivelomana, sady notolorany tany.


Izao kosa no lohan’ny fokon’i Israely: amin’ny Robenita, i Eliezera zanak’i Zekri; amin’ny Simeônita, i Safatiasa zanak’i Maakà;


Ka aoka ho ao aminareo ny fahatahorana an’i Iaveh, ary tandremo ny asanareo, fa ao amin’i Iaveh Andriamanitsika, tsy mba misy tsy fahamarinana na fizahan-tavan’olona na fandraisan-kolikoly.»


dia nisy 59.300 no voasoratra ho isan’ny fokon’i Simeôna.


dia ho faneken’ny fisoronana mandrakizay, ho azy sy ny taranany mandimby azy, noho izy saro-piaro ho an’Andriamaniny, sy nanao ny fanonerana ho an’ny zanak’i Israely.»


Ary Kozbì no anaran’ilay vehivavy Madianita novonoina, zanak’i Sora, filoham-poko, amin’ny fokom-pianakaviana, any Madiàna azy.


Ireo no fokon’ny Simeônita, 22.200 izy.


12.000 avy amin’ny fokon’i Simeôna; 12.000 avy amin’ny fokon’i Levi; 12.000 avy amin’ny fokon’i Isakara;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra