Raha efa izany kosa, hiantso ny Anaran’ny andriamanitrareo ianareo; izaho kosa hiantso ny Anaran’i Iaveh. Ka izay Andriamanitra mamaly amin’ny afo, dia izay no Andriamanitra.» Namaly avokoa ny vahoaka nanao hoe: «Tsara izany!»
1Tantara 21:26 - Baiboly Katolika Dia nanangana ôtely teo i Davida, ho an’i Iaveh, ary nanatitra sorona dorana sy sorom-pihavanana. Izy niantso an’i Iaveh, ary i Iaveh namaly azy tamin’ny afo avy any an-danitra latsaka teo amin’ny ôtely nisy ny sorona dorana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nanorina alitara ho an’NY TOMPO teo i Davida ka nanolotra fanatitra dorana manontolo sy fanati-pihavanana; dia niantso NY TOMPO izy ka novaliny tamin’ny afo avy tany an-danitra, izay latsaka teo amin’ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo. DIEM PROTESTANTA Teo no nanorenan’i Davida alitara ho an’ny TOMPO; ary nanolotra sorana dorana manontolo sy sorom-pihavanana izy sady niantso ny TOMPO, ka novaliany tamin’ny afo avy tany an-danitra, dia afo izay latsaka teo amin’ny alitara nisy ny sorona dorana manontolo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Teo no nanorenan’i Davida alitara ho an’ny TOMPO; ary nanolotra sorana dorana manontolo sy sorom-pihavanana izy sady niantso ny TOMPO, ka novaliany tamin’ny afo avy tany an-danitra, dia afo izay latsaka teo amin’ny alitara nisy ny sorona dorana manontolo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Davida nanorina alitara teo ho an’i Jehovah ka nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana; dia niantso an’i Jehovah izy ka novaliany tamin’ny afo avy tany an-danitra, izay latsaka teo amin’ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana. Malagasy Bible Ary Davida nanorina alitara teo ho an'i Jehovah ka nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana; dia niantso an'i Jehovah izy ka novaliany tamin'ny afo avy tany an-danitra, izay latsaka teo amin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana. La Bible en Malgache Ary nanorina alitara ho an’NY TOMPO teo i Davida ka nanolotra fanatitra dorana manontolo sy fanati-pihavanana; dia niantso NY TOMPO izy ka novaliny tamin’ny afo avy tany an-danitra, izay latsaka teo amin’ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo. |
Raha efa izany kosa, hiantso ny Anaran’ny andriamanitrareo ianareo; izaho kosa hiantso ny Anaran’i Iaveh. Ka izay Andriamanitra mamaly amin’ny afo, dia izay no Andriamanitra.» Namaly avokoa ny vahoaka nanao hoe: «Tsara izany!»
Dia latsaka tamin’izay ny afon’i Iaveh, ka nandoro ny sorona dorana, ny kitay hazo, ny vato, ny tany, ary ritrany ny rano tamin’ny hady!
Dia natombok’i Salômôna ny fanaovana ny tranon’i Iaveh tao Jerosalema, amin’ny tendrombohitra Moria, izay efa natoro an’i Davida rainy, dia amin’ny toerana efa voaoman’i Davida teo amin’ny famoloan’i Ornàna, Jebôseanina.
Nony tapitra ny vavak’i Salômôna, dia nodoran’ny afo avy any an-danitra ny sorona dorana mbamin’ny sorona ary nameno ny trano ny voninahitr’i Iaveh.
Hiantso Ahy izy, ary hamaly azy Aho; homba azy amin’ny andron’ny fahoriana Aho. Hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho.
Mankalazà an’i Iaveh Andriamanitsika, ary miankohofa eo anatrehan’ny tendrombohiny masina, fa masina i Iaveh Andriamanitsika.
Ny soron’ny ratsy fanahy dia ankahalain’i Iaveh; fa ny vavaky ny olo-mahitsy kosa, ankasitrahiny.
Antsoy Aho dia hamaly anao, haneho zava-dehibe aminao, zava-tsy takatry ny saina izay tsy fantatrao.
Ary nisy afo nivoaka avy eo anatrehan’i Iaveh nandevona ny sorona dorana mbamin’ny sabora teo ambonin’ny ôtely. Ary nahita izany daholo ny vahoaka rehetra, dia nihoby an-kafaliana sady rafitra niankohoka.
Raha ilay miakatra mankany an-danitra avy eo ambonin’ny ôtely iny ny lelafo dia niakatra tao anatin’ny lelafon’ny ôtely ilay Anjelin’i Iaveh. Raha nahita izany i Manôe mivady dia lavo niankohoka tamin’ny tany.
Ary naroson’ny Anjelin’i Iaveh ny lohan’ny tehina teny an-tanany, ka natendriny ny hena sy ny mofo tsy misy lalivay, dia nisy afo nivoaka niaraka tamin’izay tamin’ny vatolampy, nandevona ny hena sy ny mofo tsy misy lalivay; ary nanjavona tsy hitan’ny masony ny Anjelin’i Iaveh.