Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 2:24 - Baiboly Katolika

Efa maty tany Kaleba-Efrata, i Hesrôna, vao niteraka an’i Ashora rain’i Tekoa, tamin’i Abià vadiny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nony maty tany Kaleba-Efrata i Hezrona dia niteraka an’i Asora, rain’ny any Tekoa, taminy, i Abia vadin’i Hezrona.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Taorian’ny nahafatesan’i Hetsirôna izay nanambady an’i Abià, dia niray tamin’i Efrata indray i Kaleba; ka i Efrata no niterahany an’i Asehora mpanorina an’i Tekôa.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Taorian’ny nahafatesan’i Hetsirôna izay nanambady an’i Abià, dia niray tamin’i Efrata indray i Kaleba; ka i Efrata no niterahany an’i Asehora mpanorina an’i Tekôa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nony maty Hezrona tany Kaleba-efrata, Abia, vadin’i Hezrona, dia niteraka an’i Asora, razamben’ny any Tekoa, taminy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nony maty Hezrona tany Kaleba-efrata, Abia, vadin'i Hezrona, dia niteraka an'i Asora, razamben'ny any Tekoa, taminy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nony maty tany Kaleba-Efrata i Hezrona dia niteraka an’i Asora, rain’ny any Tekoa, taminy, i Abia vadin’i Hezrona.

Jereo ny toko



1Tantara 2:24
8 Rohy Ifampitohizana  

Dia naniraka ho any Tekoa hitady vehivavy fetsy anankiray i Jôaba ka nilaza taminy hoe: «Modia misaona ianao, manaova akanjo fisaonana, aza mihosotra diloilo, ary manahafa vehivavy mandala olo-maty efa ela be ihany.


Nalain’ny Gesorianina sy ny Sirianina taminy ny vohitr’i Jaira, sy i Kanata mbamin’ny tanàna momba azy, tanàna enimpolo. Ireo rehetra ireo no zanaka lahin’i Makira, rain’i Galaada.


Ny zanaka lahin’i Jerameela lahy matoan’i Hesrôna dia: i Ramà lahy matoany, i Bonà, i Aràna, i Asoma, i Akià.


Zanaka naterak’i Hesrôna: i Jerameela, i Ramà ary i Kaleba.


Nanambady roa i Asora, rain’i Tekôe, dia i Halaà sy i Naarà,


Tenin’i Amôsy, isan’ireo mpiandry ondry tao Tekôe. Izay hitany momba an’i Israely, tamin’ny andron’i Oziasa, mpanjakan’i Jodà, sy tamin’ny andron’i Jerôbôama, zanak’i Jôasa, mpanjakan’i Israely, roa taona talohan’ny horohoron-tany. Hoy izy:


Nanafika an’i Negeban’ny Keretianina sy ny faritanin’i Jodà mbamin’i Negeban’i Kaleba izahay, ary nodorany i Sikelega».