Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 19:19 - Baiboly Katolika

Nony hitan’ireo tompomenakelin’i Adarezera fa resy eo anatrehan’i Israely izy, dia nanao fanekem-pihavanana tamin’i Davida izy ireo, ka tonga mpanompony. Ary tsy nety namonjy ny taranak’i Amôna intsony ny Sirianina.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nony hitan’ireo mpanompon’i Hadadezera fa resy teo anoloan’ny Israely izy dia nanao fihavanana tamin’i Davida izy ka nanompo azy; ary tsy nety nanampy ny taranak’i Amona intsony ny Arameana.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Rehefa nahatsapa ny fahareseny teo anoloan’ny Israelita ireo mpanjaka nanoa an’i Hadadehezera, dia nandrindra fihavanana tamin’i Davida ka nanoa azy. Ary tsy nety hamonjy ny Hamônita intsony ny Sirianina.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Rehefa nahatsapa ny fahareseny teo anoloan’ny Israelita ireo mpanjaka nanoa an’i Hadadehezera, dia nandrindra fihavanana tamin’i Davida ka nanoa azy. Ary tsy nety hamonjy ny Hamônita intsony ny Sirianina.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nony hitan’ireo nanoa an’i Hadarezera fa resy teo anoloan’ny Isiraely izy, dia nanao fihavanana tamin’i Davida izy ka nanompo azy; ary tsy nety nanampy ny taranak’i Amona intsony ny Syriana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nony hitan'ireo nanoa an'i Hadarezera fa resy teo anoloan'ny Isiraely izy, dia nanao fihavanana tamin'i Davida izy ka nanompo azy; ary tsy nety nanampy ny taranak'i Amona intsony ny Syriana.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nony hitan’ireo mpanompon’i Hadadezera fa resy teo anoloan’ny Israely izy dia nanao fihavanana tamin’i Davida izy ka nanompo azy; ary tsy nety nanampy ny taranak’i Amona intsony ny Arameana.

Jereo ny toko



1Tantara 19:19
13 Rohy Ifampitohizana  

Tatỳ aorian’izany, maty ny mpanjakan’ny taranak’i Amôna, ka dia i Hanòna zanany lahy no nanjaka nandimby azy.


Hitan’ny mpanjaka rehetra fehezin’i Hadarezera fa resy teo anatrehan’i Israely izy, ka nanao fanekem-pihavanana tamin’i Israely izy, dia nanompo azy ary tsy sahy namonjy ny taranak’i Amôna intsony ny Sirianina.


Ary i Benadaba mpanjakan’i Siria, namory ny tafiny rehetra; mpanjaka 32 no niaraka taminy, sady nisy soavaly aman-kalesy maro koa. Dia niakatra izy ary nanao fahirano an’i Samaria dia namely azy.


Niara-nisotro tamin’ireo mpanjaka, tao an-trano rantsan-kazo i Benadaba no nandre izany valin-teny izany; ka hoy izy tamin’ny mpanompony: «Milahara hiady ianareo.» Dia nilahatra hamely ny tanàna izy ireo.


Dia niely eran’ny tany rehetra ny lazan’i Davida, ary nataon’i Iaveh natahotra azy ny firenena rehetra.


Ka matin’i Davida ny soavaly tamin’ny kalesy 7.000 ary ny miaramila an-tongotra 40.000, tamin’ny Sirianina; matiny mbamin’i Sôfàka, komandin’ny tafika.


Tamin’ny fitsingerenan’ny taona, nony mby tamin’ny fotoana fiaingan’ny mpanjaka handeha hiady, dia nitarika tafika tsy anerany i Jôaba, ka nandrava ny tanin’ny taranak’i Amôna, sy tonga nanao fahirano an’i Rabà; fa i Davida kosa nijanona tao Jerosalema. Noresen’i Jôaba i Rabà, sady noravany.


Atontako izy, dia tsy afa-mifongatra dia lavo ao ambanin’ny tongotro.


Manafaka ahy amin’ny fikomian’ny vahoaka Ianao, sady manandratra ahy ho lohan’ny firenen-tsamihafa; vahoaka tsy fantatro avy no manompo ahy koa.


Hoy izy: «Tsy mpanjaka avokoa va ny andriandahiko?