Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 17:20 - Baiboly Katolika

Tsy misy mitovy aminao, ry Iaveh, ary tsy misy Andriamanitra hafa hafa-tsy Ianao, araka izay rehetra ren’ny sofinay.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

TOMPO ô, tsy misy tahaka Anao ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Ianao, araka izay rehetra ren’ny sofinay.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

TOMPO ô, tsy misy tahaka Anao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Ianao, araka izay rehetra ren’ny sofinay.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

TOMPO ô, tsy misy tahaka Anao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Ianao, araka izay rehetra ren’ny sofinay.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Jehovah ô, tsy misy tahaka Anao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Hianao, araka izay rehetra ren’ny sofinay.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Jehovah ô, tsy misy tahaka Anao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Hianao, araka izay rehetra ren'ny sofinay.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

TOMPO ô, tsy misy tahaka Anao ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Ianao, araka izay rehetra ren’ny sofinay.

Jereo ny toko



1Tantara 17:20
26 Rohy Ifampitohizana  

Iaveh ô, noho ny amin’ny mpanomponao sy araka ny Fonao, no nanaovanao izany zava-dehibe rehetra izany, mba hampahafantaranao ireo zava-dehibe ireo.


Aiza eto ambonin’ny tany izay firenena hafa, manahaka an’i Israely vahoakanao, izay nahatongavan’Andriamanitra hanavotany azy, mba ho vahoakany, hahazoanao Anarana amin’ny fahagagana aman’asa lehibe, dia ny nandroahanao firenena teo anoloan’ny vahoakanao, izay navotanao tamin’i Ejipta.


Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’ny taranak’i Kôre. Fihirana.


Tsy misy toa Anao eo amin’ireo andriamanitra, tsy misy mahatakatra ny asanao, ry Tompo.


Ry Iaveh, ny lanitra mankalaza ny fahagagana ataonao, mbamin’ny fahamarinanao eo amin’ny fiangonan’ny olona masina.


Mahatahotra Andriamanitra eo amin’ny fiangonam-ben’ny olo-masina, mahatahotra ho an’ireo rehetra manotrona Azy Izy.


satria Ianao, ry Iaveh, no Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra; Ianao dia tafasandratra indrindra ambonin’ny andriamanitra rehetra.


Iza moa no toa Anao amin’ireo andriamanitra, ry Iaveh ô! Iza moa no toa Anao izay mendrika indrindra noho ny fahamasinana, Izay atahorana, na eo am-piderana Anao aza, mpanao fahagagana?


Fantatro ankehitriny fa lehibe noho ny andriamanitra rehetra i Iaveh, fa nampiharihary ny halehibeny Izy, raha nampahory an’i Israely ny Ejiptianina.»


Natangongo tamin’ny toerana maro ireny, ary maimbo ny tany.


Fa amin’izao Aho vao handefa ny loza rehetra hampahory ny fonao sy ny mpanomponao mbamin’ny vahoakanao, mba hahafantaranao fa tsy misy toa Ahy amin’ny tany rehetra.


Koa ampitovinareo amin’inona àry Andriamanitra, ary sarin’inona no hamboarinareo ho Azy?


Koa iza àry no hampitovinareo Ahy, ka ho tahaka azy Aho, hoy ilay Masina?


Ianareo no vavolombeloko, - teny marin’i Iaveh sady mpanompoko, izay nofidiko; mba hahafantaranareo sy hinoanareo Ahy ary hahazoanareo an-tsaina, fa Izaho no izy. Tsy misy Andriamanitra voaforona talohako; ary tsy hisy koa any aoriako.


Izao no lazain’i Iaveh, mpanjakan’i Israely sy mpanavotra azy, dia i Iavehn’ny tafika: «Izaho no voalohany, ary Izaho no farany, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.


Mitodiha atỳ amiko, dia hovonjena ianareo, ianareo rehetra mponina amin’ny tany, fa Izaho no Andriamanitra, ary tsy misy hafa.


Izaho no Iaveh, ary tsy misy hafa koa; tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho! Nampisikina anao Aho, fony ianao mbola tsy nahalala Ahy;


izay nampandeha, teo ankavanan’i Môizy, ny sandriny be voninahitra, izay nampisaraka ny rano teo anoloany, hahazoany anarana mandrakizay;


Ary ho an’Ilay mahay manao mihoatra lavitra noho izay angatahintsika sy saintsainintsika, araka ny heriny miasa ato amintsika,


Ry Iaveh Tompo ô, vao naneho ny halehibeazanao sy ny tananao mahery tamin’ny mpanomponao Ianao, fa na any an-danitra na etỳ an-tany, aiza moa no misy andriamanitra mahefa ny asanao sy ny zava-dehibe vitanao?


Tsy misy tahaka an’Andriamanitra, ry Jesoròna ô! izay mandia ny lanitra mba ho tonga hamonjy anao, sy mandia ny rahona, amin’ny voninahiny.


Ianao no nanehoana izany, mba hahafantaranao, fa i Iaveh no Andriamanitra, ary tsy misy hafa afa-tsy Izy.


Koa fantaronao anio, sy araiketo ao am-ponao fa i Iaveh no Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony, sy etỳ amin’ny tany ambany ary tsy misy hafa.


Tsy misy masina tahaka an’i Iaveh, fa tsy misy afa-tsy Ianao no Izy; tsy misy vatolampy tahaka ny Andriamanitsika.