Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 40:25 - Baiboly Katolika

25 Koa iza àry no hampitovinareo Ahy, ka ho tahaka azy Aho, hoy ilay Masina?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 Koa hampitovianareo amin’iza moa Aho, mba hitahako aminy? Hoy ny Iray Masina.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

25 «Koa hampitovînareo amin’iza Aho ary hoharinareo amin’iza, hoy ilay Andriamanitra masina?»

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 «Koa hampitovînareo amin’iza Aho ary hoharinareo amin’iza, hoy ilay Andriamanitra masina?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 Koa ampitovinareo amin’iza moa Aho, Hitahako aminy? Hoy ny Iray Masina.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 Koa ampitovinareo amin'iza moa Aho, hitahako aminy? Hoy ny Iray Masina.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 40:25
8 Rohy Ifampitohizana  

Tsy misy toa Anao eo amin’ireo andriamanitra, tsy misy mahatakatra ny asanao, ry Tompo.


Fa iza any an-danitra no hitaha amin’i Iaveh? Iza amin’ireo zanak’Andriamanitra no manahaka an’i Iaveh?


Iza moa no toa Anao amin’ireo andriamanitra, ry Iaveh ô! Iza moa no toa Anao izay mendrika indrindra noho ny fahamasinana, Izay atahorana, na eo am-piderana Anao aza, mpanao fahagagana?


Koa ampitovinareo amin’inona àry Andriamanitra, ary sarin’inona no hamboarinareo ho Azy?


Hampitahainareo amin’iza Aho, ary ataonareo sahala amin’iza? Hampitahafinareo amin’iza Aho ka hitovy izahay?


Vahoaka aiza no efa nandre ny feon’Andriamanitra niteny tao anatin’ny afo toy ny efa renareo, ka mbola velona ihany izy?


«Aza manao sarin-javatra voasikotra, na izay mety ho endriky ny zavatra eny amin’ny lanitra ambony, na etỳ amin’ny tany ambany, na any amin’ny rano ambanin’ny tany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra