Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 15:26 - Baiboly Katolika

Rehefa nomban’Andriamanitra fanampiana ny Levita izay nitondra ny fiaran’ny faneken’i Iaveh, dia namono ombalahy enina sy ondralahy enina natao sorona ny olona.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Rehefa nomban’Andriamanitra ny levita izay nilanja ny vata misy ny faneken’NY TOMPO dia namono vantotra ombilahy fito sy ondrilahy fito ho fanatitra izy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary mba hanampian’Andriamanitra ny levita izay nitondra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO, dia notolorana sorona ombilahy fito sy ondrilahy fito Izy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary mba hanampian’Andriamanitra ny levita izay nitondra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO, dia notolorana sorona ombilahy fito sy ondrilahy fito Izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary rehefa nomban’Andriamanitra ny Levita izay nilanja ny fiaran’ny faneken’i Jehovah, dia namono vantotr’ombilahy fito sy ondrilahy fito hatao fanatitra izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary rehefa nomban'Andriamanitra ny Levita izay nilanja ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, dia namono vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito hatao fanatitra izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Rehefa nomban’Andriamanitra ny levita* izay nilanja ny vata misy ny faneken’NY TOMPO dia namono vantotra ombilahy fito sy ondrilahy fito ho fanatitra izy.

Jereo ny toko



1Tantara 15:26
12 Rohy Ifampitohizana  

Nony namindra inenina ny mpitondra ny Fiaran’i Iaveh, dia nisy ombalahy iray sy zanak’omby matavy izay natolotra ho sorona.


Fa zinona moa aho, ary zinona ny vahoakako no hanam-pahefana sy hery mba hanao an-tsitrapo fanatitra toy izao? Ianao no iavian’ny zavatra rehetra, ary ny noraisinay avy teo an-tananao ihany no natolotray Anao.


Koa ankehitriny mandehana maka vantotr’ombalahy fito sy ondralahy fito, dia mankanesa eo amin’i Jôba mpanompoko ka manatera sorona dorana ho anareo. Ary i Jôba mpanompoko hivavaka ho anareo, fa izy ihany no tsy hamaliako anareo araka ny hadalanareo, satria tsy mba mifanaraka amin’ny marina tahaka ny nataon’i Jôba ny filazanareo Ahy».


Ary mandritra ny hafitoana amin’izany fety izany dia hanatitra sorona dorana ho an’i Iaveh izy, dia ombalahy fito, ondralahy tsy misy kilema, fito, isan’andro avy, amin’ny andro fito, ary osilahy iray isan’andro hatao sorona noho ny ota.


Ary hoy i Balaama tamin’i Balàka: «Anangano ôtely fito eto aho, ary manomàna eto ombalahy fito sy ondralahy fito koa.»


Amin’ny andro fahafito manatera ombalahy fito, ondralahy roa, zanak’ondry 14, efa iray taona, tsy misy kilema,


Noho ny fitahian’Andriamanitra àry no mbola velona aho mandraka ankehitriny mitory amin’ny kely sy ny lehibe, ary tsy manambara afa-tsy ny zavatra voalazan’i Môizy sy ny mpaminany rahateo ny hahatanterahany,


Zovy àry no tandrifiny hahavita asa toy izany?


Tsy ny tenanay akory no ampy hahahevitra zavatra toy ny avy amin’ny tenanay; Andriamanitra ihany no iavian’ny fahampiana.


Naka vato i Samoela napetrany teo anelanelan’i Masfà sy i Sena, ary nomeny anarana hoe Eben-Ezera, fa hoy izy: «Efa novonjen’i Iaveh isika hatramin’izao.»