Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 12:32 - Baiboly Katolika

Avy tamin’ny taranak’i Isakara izay nahafantatra ny andro hahalalana ny tokony hataon’i Israely, 200 lahy samy lohany, mbamin’ny rahalahiny rehetra ambany fahefany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tamin’ny taranak’Isakara dia roanjato no lehibeny; samy nahay namantatra tsara izay fotoana mety ka nahafantatra izay tokony hataon’ny Israely, ary ny rahalahiny rehetra dia nanaraka ny teniny.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Tamin’ny antsasa-pokon’i Manase, dia nisy 18 000 lahy izay notsongaina anarana mba handeha hampanjaka an’i Davida.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tamin’ny antsasa-pokon’i Manase, dia nisy 18 000 lahy izay notsongaina anarana mba handeha hampanjaka an’i Davida.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary tamin’ny taranak’Isakara dia roan-jato no lohany, samy nahay namantatra tsara izay fotoana mety ka nahalala izay tokony hataon’ny Isiraely; ary ny rahalahiny rehetra nanaraka ny teniny.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary tamin'ny taranak'Isakara dia roanjato no lohany, samy nahay namantatra tsara izay fotoana mety ka nahalala izay lokony hataon'ny Isiraely; ary ny rahalahiny rehetra nanaraka ny teniny.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tamin’ny taranak’Isakara dia roanjato no lehibeny; samy nahay namantatra tsara izay fotoana mety ka nahafantatra izay tokony hataon’ny Israely, ary ny rahalahiny rehetra dia nanaraka ny teniny.

Jereo ny toko



1Tantara 12:32
15 Rohy Ifampitohizana  

I Isakara dia ampondra tomady, Mandry eo anatin’ny valany;


Avy amin’ny antsasa-pokon’i Manase 18.000, voatendry tamin’ny anarany no avy hampanjaka an’i Davida.


Nana-miaramila momba azy, efa hary fitaovana hiantafika izy ireo, araka ny fianakaviana fiaviany, araka ny fokom-pianakaviany avy, nisy 36.000 ireny, fa maro vady aman-janaka izy.


Fahendren’ny olo-malina, ny nahafantatra ny lalany; fahadalan’ny adala ny fitaka.


Feno hatanjahana, rehefa olon-kendry, ary maneho hery lehibe, izay manam-pahaizana.


Ny hendry, omen’ny fahendrena hery, mihoatra noho ny an’ny mpanapaka folo ao an-tanàna.


Aleo fahendrena, toy izay fitaovana enti-miady; nefa mpanota iray monja dia mandrava soa betsaka.


Azo antoka ny andronao; hanananao be ny famonjena, sy ny fahendrena amam-pahalalana; ny fahatahorana an’i Iaveh no rakitrao.


Miantso mafy miteny amin’ny tanàna ny feon’i Iaveh - ary fahendrena kosa ny manaja ny Anaranao: - Mihainoa ianareo, ny tsora-kazo, mbamin’izay nandidy azy!


nony maraina indray: Ho ratsy ny andro, fa somary mena sy manjombona ny lanitra.


Koa aza manaonao foana, fa fantaro aloha izay sitrapon’ny Tompo.


An’ny ombalahiny voalohan-teraka, azy ny dera, tandrok’ombimanga no tandrony; amin’io no hanotoany ny vahoaka rehetra hatrany amin’ny fara vazantany. Toy izany ny alinalin’i Efraima, Toy izany ny arivoarivon’i Manase».